Actualités

Raharaha Marc Tatandraza Fanadalana saim-bahoaka fotsiny ?


  • Talata 02 Janoary 2018

Nanomboka ny takarivan’ny alahady 24 desambra no niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera fesiboky ny sarin’ilay mpitarika fivavahana amina fiangonana zandriny Marc Tatandraza, izay nambara fa maty. Tao ny nandray izany ho toz-javatra hatao fihomehezana sy fialam-boly, fa tao kosa no tezitra sy niteny ratsy azy mihitsy aza. Niteraka ady hevitra ity toe-javatra ity, ary maro no nanakiana azy ho mpanadala saim-bahoaka satria ny sary nivoaka, ohatra, dia nifanaingina sy nifamadibadika ny tanany, raha toa ka mahitsy sy tsy mifandray velively ho an’ny maty rehetra.

Inona tokoa no nitranga fa dia niparitaka indray ny sary hafa maneho, fa efa nitsangana sy velona soa aman-tsara ny tenany. Ankoatra izay anefa, dia mivoaka indray ny sary maneho ny namoson-damba sy ny nandevenana azy, ary ny fasana mitototra vato sy ny tanambokovoko misy ny sariny. Efa nambaran’ireo mpanao ny seraserany tao anatin’ny tambajotra fesiboky, fa maty izy, ary haseho raki-tsary maneho ny nandevenana azy, ka dia niparitaka indray izany nanomboka omaly. Mipetraka amin’izay ny fanontaniana hoe inona no tena marina sy ao ambadik’izao? Tena maty sa mody maty i Marc Tatandraza, ary inona ilay nalevina, raha tsy izy tokoa? Tsy azo sokajiana ho fanadalana saim-bahoaka tokoa sy fanapariahana zavatra hampisavorovoroana ny fiarahamonina ve ity ataon’i Marc Tatandrazana ity raha tsy maty tokoa fa mbola miriaria any ihany izy? Maro ny mitaky ny handraisana fepetra manoloana ity fihetsika sy fanelezana vaovao hafahafa ity, saingy tsy hay aloha na ny mpaniratsira ny filoha amin’ny alalan’ny sary haparitaka, ny mpanely tsaho momba ny tionelina nihotsaka, na ny mpanala baraka mpanakanto sy mpanao politika ihany no henjehina sy gadraina, fa ny tahaka izao kosa eken’ny lalàna. Tsy sanatria natao hanenjehana an’i Marc Tatandraza sy ny zavatra ataony, fa maro no tsy faly amin’ny zavatra haparitany ho hitan’ny besinimaro, ka mety hivadika zavatra hafa aoriana ao raha mbola mitohy sy tsy mandray andraikitra ny manam-pahefana. Tsiahivina fa efa nisy raharaha nanenjehana azy tany Mahajanga noho ny resaka savorovo, ary mbola nahenoana ny anarany ilay savorovo tany Sonierana Ivongo nahamaizana fiangonana sy naharatrana olona 14 sy  saingy tsy hay intsony izay tohiny, ary vitavita ho azy ireny. Inona no mety ho antony, sa ve misy matanjaka mpiaro sy mpaniraka i Tatandraza ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT