Mbola betsaka amin’ireo ankizy mpianatra amin’izao no tsy ara-dalana ny fitaovam-pianarany noho ny tsy fahampian’ny ho enti-manana eo anivon’ny tokantrano. Manampy trotraka izany ny halafosan’ny fitaovana, indrindra fa ireo kipitsony madinika izay nahitana fiakarany hatrany amin’ny 5 % tamin’ity fidiran’ny mpianatra taom-pianarana 2017-2018 ity raha kely indrindra
Mba ho fanampiana ny isan-tokantrano ary, indrindra fa ireo ankizy sahirana beazina eo anivon’ireo fikambanana samihafa dia tonga nanolotra fitaovam-pianarana ho azy ireny ny vondrona Star. Miisa 400 ireo ankizy nahazo tombontsoa tamin’izany, mba hahafahan’izy ireo miatrika araka ny tokony ho izy ny taom-pianarana vaovao sy hitovizany amin’ireo namany hafa. Ho an’ireo ankizy kamboty kosa dia anisan’ny nosafidian’ny vondrona Star manokana ny Akany Avoko eny Ambohidratrimo. Ankizy miisa 128 no nahazo tombontsoa tamin’izany niampy ireo ankizy 300 isa monina ao amin’ny Fokontany Antaninandro, Ankadivato ary Mandialaza Ambatomitsangana eo ambany fiahian’ny fikambanana Share-Mada. Tsiahivina moa fa manokam-bola ho amin’ny asa sosialy tahaka izao mihitsy ny vondrona Star isan-taona.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.