Actualités

Frantsay voatsatok’antsy Hita tao an-jaridaina ny fatiny


  • Alakamisy 04 Janoary 2018

Vazaha Frantsay antsoina hoe G.V no nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana tao an-tranony avy eo nalevin’ny mpamono azy teo an-jaridainany tany Morafeno Antsiranana. Nisy tsatok’antsy mantsy teo amin’ny tendany ary nahitana ratra ny tongony sy tao amin’ny lamosiny taorian’ny namongarana ny razana teo amin’ny toerana nandevenan’ireo tsy mataho-tody azy.

Tsy iza no iantefan’ny ahiahy fa ny mpiasany satria nisy fotoana ny lehilahy iray mpiambina tanàna no tsikaritry ny olona eo akaikiny nanao lavaka teo an-tokontany,izay nambarany fa hambolena voninkazo, kinanjo nandevenana ity olona novonoina. Tsy hita hatramin’izao izy ny mpamilin’ilay vazaha miaraka amin’ny fiara tsy mataho-dàlana iray sy basy fitondra mihaza iray. Nialohan’ny nanatanterahana ny asa ratsy dia nantsoiny ny mpiasa vehivavy tsy ho avy hiasa tamin’ny faramparan’ny volana desambra fa hoe lasa nandeha ny mpampiasa azy ireo, kanefa nofofoina ny ainy. Ny mpiasan’ny kaominina sy ny polisy ary ny solontenan’ny “consulat” frantsay no namongatra ny razana tao amin’ny toerana nandevenana azy tao an-jaridaina, ary nandevina azy tany amin’ny fasam-bazaha tao Antsiranana. Mbola karohina kosa ireo roalahy nahavanon-doza amin’izao fotoana izao.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT