Actualités

Polisy ao Antsiranana Misy terena hiambina karana


  • Sabotsy 30 Desambra 2017

Fampitam-baovao avy amina raim-pianakaviana iray manana zanaka polisy miana-draharaha any Antsiranana no naharaisana fitarainana mikasika ny zava-manjo sy fanararaotana ireo mpitandro ny filaminana ambany grady sasany any an-toerana.

Tsy andro tsy alina, fa dia terena hiambina mpandraharaha karana mpanao aferana volamena sy miandraikitra ny fiambenana ny hotelin’ny mpanam-bola amin’ny alalan’ny baikon’ny lehibe izy ireo, raha ny fitarainana nataon’io raim-pianakaviana io hatrany. Raha ny fampitam-baovaony hatrany, anisan’ny karana asain’ny lehibe hambenana izany Maraj izany sy ny Hotel de la Poste ao Antsiranana. Tsy mba misy anefa na dia tambiny homena ny zanakay fa dia andevozina hiaro ny mpanam-bola fotsiny, ka zara raha matory efatra ora isan’andro. Ny lehibe no mety misitraka ny tambiny, raha ny fanazavany. Hiaro ny vahoaka sy ny fananany no asan’ny mpitandro ny filaminana fa tsy hiaro ny mpanam-bola sy ny mpanao afera, hoy hatrany ny fanehoan-kevitr’io mpampita vaovao io. Manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny mba hijery akaiky ny toe-javatra miseho any an-toerana momba ny asa ampanaovina ny polisy ireo polisy mahatsiaro hyharan’ny tsindry hazo lena sy ny fianakavian’izy ireo mahatsapa ny fampiasana tsy ara-drariny nisafidy ny tsy hitonona anarana noho ny antony maro samihafa. Ampahany ihany ireo, fa maro ny toe-javatra mamohehitra. Iangaviana ny tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny polisim-pirenena mba hijery akaiky izany, raha ny fitarainan’izy ireo. Ny vahoaka ihany koa etsy an-daniny marefo sy tsy dia misy mpiaro, fa ny mpanam-bola ihany no atao tsara ambina. Andrasana kosa izay mety ho fanazavan’ny tompon’andraikitra voakasika manaoloana ity toe-javatra ity.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT