Actualités

Fety tany Toamasina Mpanendaka iray maty voatifitry ny polisy


  • Alarobia 03 Janoary 2018

Nihena be tsy tahaky ny isan-taona ny tranga noraisin’ny mpitsabo eo anivon’ny Vonjy Taitra ny Hopitaly be Toamasina tamin’ity taona ity. Raha ny tranga noraisin’izy ireo notsaboina dia niisa 85 izany ny alahady sy ny alatsinainy teo

ny 63 tamin’izany tsy maintsy nampidirina hopitaly noho ny hamafisin’ny fahavoazana, ka isany tena maro tamin’izany ny resaka tosi-dra sy ny tazomoka. Niisa 7 kosa ny lozam-pifamoivoizana notsaboin’izy ireo, niisa 09 kosa ireo ratra mafy vokatry ny ady nateraky ny fahamamoana izay nisy ny fampiasana antsy nandritra izany saingy tsy niteraka fahavoazana be loatra tamin’ilay tovolahy voany. Nisy tovolahy 2 kosa naiditra hopitaly ny alatsinainy teo noho ny fahatoranana nanjo azy ireo vokatry ny fahamamoana be loatra. Na izany dia nanomboka ny zoma teo hatramin’ny talata teo koa dia niisa 3 ireo maty tao Toamasina. Ny voalohany dia maty voatifitry ny polisy taorian’ny fanendahana nataony tao Ambolomadinika raha avy nifanenjehana izy efa-dahy mpanendaka; teo koa ny ankizilahy iray vao 12 taona monja maty vokatry ny aretina nanjo azy ka na niezaka nitondra azy hotsaboina aza ny ray aman-dreniny dia tsy tana intsony ny ainy.

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT