• Alakamisy 01 Febroary 2018
Actualités.Ravalomanana sy ny OIF

Tonga nitsidika ny filoham-pirenena teo aloha sady filoha nasionalin’ny Tiako i Madagasikara,Marc Ravalomanana teny amin’ny trano fonenany teny faravohitra omaly ny delegasionina avy amin’ny fikambanan’ny Frankofonia (OIF) notarihan’i Djibou Salou, filohan’i Nigeria teo aloha.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 31 Janoary 2018
Actualités.Fambolena sy fanodinana ny kakao Mila ezaka be i Madagasikara

Anisan’ny tsara kalitao indrindra maneran-tany ny vokatra Kakao eto Madagasikara, raha ny fanazavana, omaly nandritry ny lanonam-panokafana seminera goavana mikasika izany natao tetsy amin’ny Carlton Anosy hifarana rahampitso.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 31 Janoary 2018
Actualités.Fanondranana kakao Mampiditra 64 miliara ariary isan-taona

Nitanisa ny olana misy any am-potony ireo mpamokatra kakao mikaon-doha etsy amin’ny Carlton Anosy, tahaka ny fahambanian’ny vidy ataon’ireo mpanangom-bokatra:

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 31 Janoary 2018
Actualités.Fandravana ireo toeram-pivarotana etsy Anosy Tokony mbola hiandry ny didim-pitsarana

Velon-taraina mafy ireo mpivarotra etsy Anosy manoloana ny toeram-pivarotam-boninkazo teo aloha.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 31 Janoary 2018
Actualités.Anosimasina Itaosy 4 ny trano nianjera hatramin’ny fiandohan’ny taona

Nahatratra efatra hatreto ny trano nianjera vokatry ny ora-mikija sy ny hafanam-be mifandimby tao amin’ny fokontany Anosimasina, kaominina Bemasoandro, distrikan’Antananarivo Atsimondrano raha araka ny fanazavan’ny sefom-pokontany ao an-toerana Rtoa Rasoaniaina Malala Zoe.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 30 Janoary 2018
Actualités.Entana vita Sinoa Hihena ny gaboraraka

Omaly no natao tetsy amin`ny hotely Carlton ny sonia fifanarahan`ny firenena sinoa sy ny Ofisy Malagasy izay mifehy ny fananana ara-Indostria (OMAPI) momba ny fitehirizana sy ny fiarovana ny marika sy ny anaram-barotra eto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny
FTT