Actualités

Fambolena sy fanodinana ny kakao Mila ezaka be i Madagasikara


  • Alarobia 31 Janoary 2018

Anisan’ny tsara kalitao indrindra maneran-tany ny vokatra Kakao eto Madagasikara, raha ny fanazavana, omaly nandritry ny lanonam-panokafana seminera goavana mikasika izany natao tetsy amin’ny Carlton Anosy hifarana rahampitso.

 

 Matetika nahazo ireo fankasitrahana iraisam-pirenena ny vokatra Sokola eto amintsika noho io hatsaran’ny kalitao io. Anisan’ny fankasitrahana azo ny medaly volamena azontsika nandritra ilay fifaninanana “Great taste awards” tamin’ny taona 2014, ny Top Brand tamin’ny “Salon du chocolat Japon 2016” sy ny “Prix gold” azon’ny Chocolaterie Robert farany teo. Zara raha misy 10.000 taonina isan-taona anefa hatreto ny vokatra Kakao eto an-toerana Madagasikara  noho ny tsy fahatomombanan’ny fomba fambolen’ireo tantsaha indrindra eo amin’ny fikarakarana aorian’ny fiotazana. Isan’ny mamono ireo mpamokatra noho izany ny fivoarana misy eo amin’ny fomba famokarana iraisampirenena. Efa tranainy ihany koa ireo milintsika, toy ny ao Sambirano, izay efa hatramin’ny fanjanahantany. Nisedra olana hatrany na teo amin’ny lafiny rafitra na fotodrafitrasa ary varotra ny tontolon’ny Kakao raha ny fanazavana hatrany. Vina hapetraka amin’ity seminera ity moa ny fananganana ivom-pamokarana goavana mirefy 4000 m2 ao Ambanja sy ny fanavaozana ny fampiofanana ireo tantsaha.


J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT