Actualités

Entana vita Sinoa Hihena ny gaboraraka


  • Talata 30 Janoary 2018

Omaly no natao tetsy amin`ny hotely Carlton ny sonia fifanarahan`ny firenena sinoa sy ny Ofisy Malagasy izay mifehy ny fananana ara-Indostria (OMAPI) momba ny fitehirizana sy ny fiarovana ny marika sy ny anaram-barotra eto Madagasikara.

 

 Ny minisiteran`ny Indostria sy ny varotra sinoa, ZHANG Mao sy ny ekipany no tonga nanatanteraka izany. Tetsy an-daniny, tonga nanamafy ny fifanarahana ny minisitry ny indostria sy ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina mpiahy ny OMAPI, Tazafy Armand ka nanambara fa tokony hapetraka mazava tsara eto amin`ny firenena ny lalàna mifehy ny fiarovana ny marika sy anaram-barotra. Hamaha olana, hoy ihany izy ny fifanaovan-tsonia ity manoloana ireo entana sinoa mitobaka eto an-toerana ary hiteraka tombontsoa ara-barotra amintsika. Ankoatra izay dia nanambara ny tale jeneralin`ny OMAPI, Andriamatoa Ravoaraharison Christian Claude fa mbola maro ny ezaka atrehina, indrindra manoloana ireo entana avy any Chine ratsy kalitao sy mora simba saingy efa dingana lehibe izao fifanarahana izao ary hitondra fanatsarana amin`ny entana sinoa miditra eto amintsika. Tsy afa-miala amin`ny fanatontoloana isika saingy mila mandray andraikitra amin`ireny entana miditra eto amintsika ireny ka mba hisitraka ny tsara, indrindra tsy hamono ny toekarena Malagasy.

 

Tsiry

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT