Actualités

Fandravana ireo toeram-pivarotana etsy Anosy Tokony mbola hiandry ny didim-pitsarana


  • Alarobia 31 Janoary 2018

Velon-taraina mafy ireo mpivarotra etsy Anosy manoloana ny toeram-pivarotam-boninkazo teo aloha.

Hatramin’ny alakamisy no ho nankaty mantsy izy ireo dia tsy nisy tany nivarotana intsony fa nofefena tanteraka ny toerana misy azy, hanatanterahana ilay tetikasan’ny filoham-pirenena miaraka amin’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany. Raha araka ny fanazavan-dRabemarija Olivier mpisolovavan’ireo mpivarotra anefa dia naoty tsotra fotsiny no navoakan’ny minisitera nandroahana ireo mpivarotra ny 24 janoary lasa teo.  Tsy niandry ela fa  ny 26 janoary izahay dia efa nampiditra ny taratasy fampiakarana teny anivon’ny filankevi-panjakana ary mbola eo am-piandrasana ankehitriny saingy efa mandeha sahady ny fandravana. Raha ny marina, hoy hatrany Rabemarija Olivier dia tokony hiandry ny didy havoakan’ny filankevi-panjakana vao  miroso amin’ny fandravana ny minisitera. Nomarihiny fa tsy ilay fanamboarana zaridaina tsara tarehy no olan’izy ireo fa ilay manimba ny asa fivelomany mihitsy, toerana izay nahazoany alalana avy tamin’ny kaominina tamin’ny andron’ny PDS teo aloha. Tsiahivina moa fa pavillon miisa 29 izy ireo no voakasik’izao fandravana izao miampy ireo mpanety miisa 33.

Pati


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT