Nahatratra efatra hatreto ny trano nianjera vokatry ny ora-mikija sy ny hafanam-be mifandimby tao amin’ny fokontany Anosimasina, kaominina Bemasoandro, distrikan’Antananarivo Atsimondrano raha araka ny fanazavan’ny sefom-pokontany ao an-toerana Rtoa Rasoaniaina Malala Zoe.
Ny iray tamin’ireo trano efatra ireo no fantatra fa naharatrana olona iray. Tsy mipetra-potsiny ny fokontany tantanany fa mitety tokantrano mihitsy, mampitandrina sy manala ireo olona mbola minia mijanona amin’ireny trano efa mivava sy atahorana hianjera ireny. Toraka izany koa ny tamboho izay loza mitatao ho an’ny tompony sy ny manodidina azy. Nomarihin’ny Ben’ny tanànan’ny kaominina Bemasoandro Rakotomandimby Jean Martial fa ny fiakaran’ny rano be loatra teny amin’ny faritra iadidiany no anisan’ny olana nosedrain’ireo mponina ao aminy. Ankehitriny mbola mahatratra 10 ireo traboina tazonina ao amin’ny fokontany Ambohijafy raha nahatratra 300 isa teo aloha. Nomarihiny manokana fa miezaka hatrany izy ireo manentana ny mponina mba hiakatra amin’ny faritra avo, ho an’ireo monina amoron’ny ranon’Ikopa mandrapahatapitry ny fotoam-pahavaratra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.