Nitanisa ny olana misy any am-potony ireo mpamokatra kakao mikaon-doha etsy amin’ny Carlton Anosy, tahaka ny fahambanian’ny vidy ataon’ireo mpanangom-bokatra:
raha tokony 10000 Ar/ kilo no andraisana ny vidin’ny kakao maina dia 3000 Ar/kilo sisa no andraisany azy, hoy Randrianarison Victorien mpamboly. Etsy andaniny nanambara kosa ireo kompania mpanangom-bokatra fa misy antony matoa izy ireo mampidina ny vidy andraisana ny vokatra toy ny faharatsian’ny lalana. Tsara ny kalitao saingy vitsy ny vokatra ary io mitaky fandraisana andraikitra avy amin’ny fanjakana satria 8% ihany ny tany mbola voavoly eto Madagasikara. Tokony hifantoka kokoa amin’ny fampitomboana ny vokatra arak’izany ny fanjakana satria mampitombo ny vola miditra amintsika ny fanondranana entana. Raha 2000 dolara ny taonina dia mampiditra 64 miliara Ariary eo ho eo isan-taona ny kakao (1dolara: 3237 Ar, famokarana isan-taona : 10 000 taonina)
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.