• Talata 20 Martsa 2018
Actualités.Fifaninanana « I Love You Madagascar » Mpandray anjara 12 isa no nivoaka ho mpandresy

Nampahafantarina ny mpanao gazety omaly tetsy amin’ny minisiteran’ny fizahantany ny vokatr’ilay fifaninanana entina hampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany eto amintsika, nampitondraina ny lohateny hoe : « I Love You Madagascar ».

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 19 Martsa 2018
Actualités.Nandravarava i Eliakim olona 7 maty, 10.292 no traboina

Namono olona miisa fito hatramin’ny omaly alahady ilay rivodoza Eliakim nandalo teto amintsika. Anisan’ny nahitana izany ny tany amin’ny Faritra avaratry ny Nosy sy Atsinanana izay tena noravaravan’ity rivodoza ity tokoa.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 19 Martsa 2018
Actualités.Tanimboly mirefy 9 hektara eny Ivato Saika nosen’ny miaramila

Andiana miaramila am-polony maro no nanao amboletra namotika volin’olona tetsy Sitabomba (Soute à Bombes) Ivato.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 19 Martsa 2018
Actualités.Mpanohana fitondrana Miezaka mafy manangana haino aman-jery

Malalaka ny fanokafana haino aman-jery mpanohana fitondrana fa ny hafa kosa gejaina. Ny MBS, ohatra, dia misy amin’ireo tompon’andraikitra ambony no mamoaka vava fa raha mbola izy ireo no eo dia tsy hisokatra mihitsy.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 19 Martsa 2018
Actualités.Fampidirana rano Tsy ampy fitaovana ny JIRAMA

Anisan’ny manahirana sady mampikaikaika ny maro ny mampiditra rano amin’izao fotoana. Afaka manao ny asa fampidiran-drano amin’ny fomba haingana ihany anefa ny JIRAMA raha toa ka afaka mividy ireo fitaovana tsy ampy na tsy misy eo anivon’ny orinasa ny mpanjifa. Atao ity tolotra ity ho an’ireo izay efa nandoa ny faktioran’ny zavatra mety ilaina (dévis) izay nataon’ny JIRAMA.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 19 Martsa 2018
Actualités.Toamasina Dibo-drano ny tanàna

Raha ny tatitra voaray dia tena nitondra takaitra ny teo anivon’ireo distrikan’ny faritra Analanjirofo sy ny faritra Atsinanana nandalovan’ilay rivodoza Eliakim ny faran’ny herinandro teo.

Hamaky ny tohiny
FTT