Actualités

Fampidirana rano Tsy ampy fitaovana ny JIRAMA


  • Alatsinainy 19 Martsa 2018

Anisan’ny manahirana sady mampikaikaika ny maro ny mampiditra rano amin’izao fotoana. Afaka manao ny asa fampidiran-drano amin’ny fomba haingana ihany anefa ny JIRAMA raha toa ka afaka mividy ireo fitaovana tsy ampy na tsy misy eo anivon’ny orinasa ny mpanjifa. Atao ity tolotra ity ho an’ireo izay efa nandoa ny faktioran’ny zavatra mety ilaina (dévis) izay nataon’ny JIRAMA.

 

Aorian’izay dia efain’izy ireo amin’ny mpanjifa  izany ka amin’ny fahatongavan’ny fitaovana amin’ny volana septambra na oktobra no averina ny vola. Ny fantsona lehibe mpitondra rano PVC, ny mpaompy Yanne Euopam 60, ny bride major 63, ny coudes ary ny robinet d’arrêt no tsy ananan’ny JIRAMA amin’izao. Nanamarika kosa izy ireo fa tsy maintsy any amin’ny mpivarotra mpiara-miombon’antoka aminy ihany toy ny SMTP, no afaka mividy ireo fitaovana tsy misy ao aminy ireo. Araka izany, tsy maintsy miandry ireo akora nohafarana sy ireo drafitra fandaminana (planning) izany ireo izay tsy afaka manao ity tolotra ataon’ny JIRAMA ity. Misy anefa ny mpanjifa izay efa nahavita nandoa ny faktioran’ny zavatra mety ho lany hatramin’ny taona 2010 kanefa tsy nahatafiditra rano hatramin’izao.

Tsiry  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT