Actualités

Toamasina Dibo-drano ny tanàna


  • Alatsinainy 19 Martsa 2018

Raha ny tatitra voaray dia tena nitondra takaitra ny teo anivon’ireo distrikan’ny faritra Analanjirofo sy ny faritra Atsinanana nandalovan’ilay rivodoza Eliakim ny faran’ny herinandro teo.

 

Saika dibo-drano avokoa ireo kaominina sy distrika miainga any Maroantsetra hatrany Mahanoro noho ny rivotra sy ny orambe nentin’i Eliakim. Raha ny teo anivon’ny faritra Analanjirofo dia anisan’ny tena voa mafy ny tao Soanierana Ivongo noho ny fiakaran’ny ranomasina izay nanimba trano miisa 94 sy nahatra-boina tanteraka olona 206 noho ny tranon’izy ireo lasan’ny ranomasina noho ny hamafin’ny onja tany an-toerana. Teo koa ny fahasimban’ireo trano miisa 86 izay simba tafo toy ny hopitalibe any an-toerana. Ho an’ny faritra Atsinanana kosa dia mbola ny fiakaran’ny renirano sy ny rano no olana noho ny oramben’i Eliakim. I Toamasina II, Toamasina I, Toamasina Suburbain, Brickaville ary Vatomandry dia saika miaina izany avokoa ny vahoaka. Misy mihitsy ireo fokontany sy kaominina mitoka-monina. Ho an’i Toamasina renivohitra dia saika anaty rano avokoa ny fokontany efatra ao Andranomadio, ny fokontany roa ao Mangarano sy Ambohijafy, ny fokontany telo ao Tanambao, ny “Gare Routière” ary ny ao Ambalamanasy. Ny tena olana anefa dia tsy mety mamonjy ny toerana natokana ho azy ireo ny tra-pahavoazana noho ny henatry ny atao hoe “traboina” sy ny fiarovany ny fananany noho ny resaka filaminam-bahoaka. Ny ao Maroantsetra izao dia kaominina efatra no tena mitoka-monina, anisan’izany ny ao Rantabe. Raha ny tatitra dia miisa 2.000 ny traboina ao Maroantsetra, ny ao Mananara Avaratra izay ahitana traboina miisa 720 avy amin’ireo fokontany 96 amin’ny 207 misy.

 

Rakoutou

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT