Malalaka ny fanokafana haino aman-jery mpanohana fitondrana fa ny hafa kosa gejaina. Ny MBS, ohatra, dia misy amin’ireo tompon’andraikitra ambony no mamoaka vava fa raha mbola izy ireo no eo dia tsy hisokatra mihitsy.
Firifiry ny haino aman-jerin’ny fitondrana misokatra kanefa ambara fa tsy misy ny fahazoan-dalana na ny “licence d’éxploitation”. Misy ankehitriny televizionina manao andrana ara-teknika, izay tsy misy fanazavana ara-teknika mafonja ny momba azy. Mitobaka ohatra ny anana ny fanomezana alalana rehefa mpanohana ny fitondrana no manangana haino aman-jery, raha toa ka sahiranina ny olona heverina fa manana fomba fijery hafa. Sokafana izay azo sokafana hanadio sy hamotsy ny mpitondra, saingy tsy mahafa-po sy toa tsy mahavita ny iraka ampanaovina azy angamba, ka ny hafa manelingelina no mbola kendrena hofehezina mafy.
Mangalatra fiaingana
Ny Andininy115 ao amin`ny volavolan-dalàna fehizoro lah. 05/2018 momba ny fitondrana ankapobeny ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka, dia milaza fa tsy azo atao ny fampiasana ny dokambarotra amin`ny haino aman-jery rehetra izay miendrika fampielezan-kevitra amin`ny fifidianana. Tsy mahazo mamoaka fandaharana miendrika dokambarotra miantso hifidy kandidà koa izy ireo. Ankehitriny anefa toa afaka manao izay tiany ireo haino aman-jery mpanohana fitondrana, ary tena henjana ny fanaratsiana ny olona tsy mitovy hevitra amin’ny fitondrana atao ao. Tsy mahagaga fa fomban`ny antoko malemy no mangalatra fiaingana tahaka ny hataon`HVM io satria matahotra ny hosongonan’ny sasany.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.