Namono olona miisa fito hatramin’ny omaly alahady ilay rivodoza Eliakim nandalo teto amintsika. Anisan’ny nahitana izany ny tany amin’ny Faritra avaratry ny Nosy sy Atsinanana izay tena noravaravan’ity rivodoza ity tokoa.
Vokany, tafakatra 10.292 hatreto ireo traboina, araka ny tatitra azo teo anivon’ny Birao mahaleotena misahana ny loza voajanahary, 2.495 ireo olona voatery nafindra toerana, trano miisa 622 no dibo-drano raha miisa 953 kosa ireo simba tanteraka. Mikasika ny lalana manokana dia tapaka ny lalam-pirenena fahenina ka kaominina iray ao anatin’ny distrikan’Ambanja no mitoka-monina tanteraka hatramin’ny faran’ny herinandro teo sy ny fokontany iray ao anatin’ny distrikan’Ambilobe. Potika hatrany amin’ny 90 % ihany koa ireo vokatra kafe, jirofo ary lavanila any amin’ny distrikan’i Mananara Avaratra sy Soanierana Ivongo. Tsiahivina fa nivoaka tao Brickaville omaly i Eliakim rehefa avy namakivaky ny distrikan’i Vavantenina sy Soanierana Ivongo ary Mananara Avaratra nandritra ny ora maro tamina hafainganam-pandeha 8 km isan’ora. Nanamarika moa ry zareo teo anivon’ny BNGRC fa efa misy ireo ekipa naparitaka any amin’ireo faritra ireo mba hanara-maso akaiky ny fiainan’ny mponina ho fiarovana ny ain’izy ireo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.