Andiana miaramila am-polony maro no nanao amboletra namotika volin’olona tetsy Sitabomba (Soute à Bombes) Ivato.
Tany mirefy 9 hektara any ho any no voalaza fa kasaina halaina manamboninahitra iray eo anivon’ny tafika Malagasy an-keriny. Ny sabotsy lasa teo, naniraka andiana miaramila niaraka tamin’ny traktera teny itsy farany mba hitrongy sy hanimba ireo volin’olona maniry eo amin’ilay tany. Vao nanomboka nitrongy anefa ilay fiarabe dia tonga avy hatrany ny fokonolona efa nanamaintimolaly ity tany ity, raha ny fampitam-baovao hatrany. Natory nitsivalana teo anoloan’ny trakitera ireo fokonolona ka tsy afaka niroso nanohy ny fanimbana intsony ireo andiana miaramila. Voalazan’ny raim-pianakaviana iray fa efa 30 taona mahery izy ireo no namboly teo. Nisy ny fangatahana nataony teny anivon’ny sampandraharahan’ny fananantany ka nahalalana fa an’ny fanjakana ny tany, izany hoe tsy an’ny tafika Malagasy fa ireo fokonolona no nanamaintimolaly. Tsara toerana io tany midadasika io sady mahavokatra noho izy akaikin’ny farihy. Voalaza anefa fa vao nisy ny fanamboaran-dalana mampitohy an’i Soavimasoandro sy Ivato dia nipoitra ny olana. Mandalo eo akaikin’ity tanimboly midadasika ity ny lalam-baovao. Nipoitra ireo manamboninahitra taty aoriana ka mikendry haka ilay tany, hoy ny voalazan’ny solontenam-pokonolona. Rehefa nanontaniana kosa ny lehibe nitarika ireo miaramila dia nilaza mazava fa manana ny rafitra mifehy azy izy ireo ka tsy afaka ny hiteny. Baiko no tanterahiny. Miaramila avy ao amin’ny tafika ana habakabaka eny an-toerana ireto nanao bemidina ireto. Rehefa nanontaniana tamin’ny finday koa ny lehibe iray miasa ao amin’ity toby ity dia nilaza fa ny miaramila tsy afaka miresaka amin’ny mpanao gazety. Efa nampiditra fitoriana eny amin’ny Fitsarana ady maika moa ny fokonolona ka araka ny fantatra dia amin’ny alarobia ho avy izao no handeha ny raharaham-pitsarana. Efa fantatra anarana kosa ny manamboninahitra voatonontonona fa mikendry haka ny tany efa nohajarian’ny fokonolona, raha ny fampitam-baovao hatrany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.