Nampahafantarina ny mpanao gazety omaly tetsy amin’ny minisiteran’ny fizahantany ny vokatr’ilay fifaninanana entina hampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany eto amintsika, nampitondraina ny lohateny hoe : « I Love You Madagascar ».
Mpandray anjara miisa 12 no nibata ny fandresena tamin’ity andiany voalohany ity raha nahatratra 50 isa ny fitambaran’izy ireo. Loka maro no natolotra azy ireo izay nitsinjara tamina sokajy miisa telo dia ny sary, ny lahatsoratra ary ny rakitsary. Lelavola mitentina 500.000 Ar avy moa no natolotra ireo mpandray anjara nivoaka ho mpandresy nitana ny laharana voalohany isaky ny sokajy avy raha connexion mandritra ny telo volana amin’ny alalan’ny routeur portatif kosa no natolotra ireo nahazo laharana faharoa. Ho an’ny laharana fahatelo indray dia lelavola 100.000 Ar amin’ny alalan’ny Airtel money no natolotra azy ireo raha ny an-tsasak’izay kosa ny an’ireo nibata ny laharana fahafatra. Tsiahivina moa fa anisan’ny nanohana akaiky ity hetsika ity ny orinasam-pifandraisana Airtel Madagascar. Teto Antananarivo no betsaka tamin’ireo mpandray anjara raha tsiahivina izay mbola hitohy isam-bolana. Fivahiniana mihazo an’i Nosy-Be sy Sainte Marie kosa no loka hatolotry ny minisiteran’ny fizahantany azy ireo amin’ny fifaranan’ny fifaninanana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.