• Zoma 06 Aprily 2018
Actualités.Croix rouge Malagasy Hikarakara hazakazaka lavitr’ezaka manani-bohitra

Hikarakara hazakazaka lavitr’ezaka manani-bohitra ny fikambanana Croix rouge Malagasy amin’ny alahady ho avy izao. Tsy hanavahana sokajin-taona fa mety avokoa na ny ankizikely aza saingy tsy maintsy mitondra certificat médical entina hanamarinana ny fahasalaman’ilay mpandray anjara kosa,

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 06 Aprily 2018
Actualités.Lalàna mifehy ny fizakana ny zom-pirenena malagasy Natao nifanentana amin`ny vaninandro ankehitriny

Manomboka izao, tsy misy fanavahana intsony ny zanaka malagasy na avy amin`ny ray na avy amin`ny reny. Fianakaviana miisa 1 361 no nisitraka ny taratasy manamarina ny fizakana ny zom-pirenena malagasy ankehitriny raha nametraka fangatahana tamin`ny volana janoary lasa teo.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 05 Aprily 2018
Actualités.Fikorontanana teny amin’ny banky Tambajotra nihitsoka no fototr’olana

Nikorontana tanteraka indray ny ankamaroan’ny banky tamin’ny fandraisan-karama farany teo. Nahitana filaharana lavareny izay nampikaikaika ny maro indray.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 05 Aprily 2018
Actualités.Zaza mpangataka eto an-drenivohitra Mahazo 2.000 Ar isan’andro

Zaza tsy ampy taona ny ankamaroan’ireo mangataka eto an-drenivohitra amin’izao.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 05 Aprily 2018
Actualités.Kaominin`i Betsiaka-Ambilobe Alaina amin’ny elikoptera ny volamena trandrahan`ny Sinoa

Efa an-taonany maro no nandrenesana ny fitrandrahana ataon`ny sinoa ao amin`ny kaominina Betsiaka, fokontany Ankatoko, Andrifialava, distrika Ambilobe. Ireo sinoa moa dia efa mampiasa fitaovana ari-pomba toy ireo milina manara penitra entina hitrandrahana ireo harena an-kibon`ny tany indrindra fa ny volamena.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 05 Aprily 2018
Actualités.Hazakaza-tsoavaly Frantsay Ny PMU BET ihany no afaka mitrandraka azy eto Madagasikara

Ny PMU BET irery sisa manomboka izao no afaka mitrandraka ireo hazakazaka Frantsay eto amintsika. Fantatra izany nandritra ny fivoakan’ny didy iraisan’ireo minisitera efatra niara-nanao sonia izany tamin’ ny 30 martsa lasa teo, fanambarana avy amin’ny komity mpitantana ny AHCEL.

Hamaky ny tohiny
FTT