Actualités

Zaza mpangataka eto an-drenivohitra Mahazo 2.000 Ar isan’andro


  • Alakamisy 05 Aprily 2018

Zaza tsy ampy taona ny ankamaroan’ireo mangataka eto an-drenivohitra amin’izao.

 
Telo taona no kely indrindra izay mahazo 2.000 Ar isan’andro  isan’olona raha kely hividianana sakafo mandritra ny tontolo andro. Eny amin’ireo tobim-piantsonan’ny taksibe no tena ahitana azy ireny. Misy koa ireo miditra any anaty fiara mihitsy miangaly ireo karazan-kira efa natao tsianjery mafy ary dia mitaky vola avy eo. Ho an’i Vonjiniaina sy i Fetsy anisan’ireo ankizy kely samy mpangataka etsy amin’ny tobim-piantsonan’ny taksibe etsy Ampefiloha dia ireo ray aman-dreniny mihitsy no maniraka azy. Eny La Réunion kely izy ireo no mipetraka. Miasa mangataka manomboka amin’ny 8 ora maraina ka hatramin’ny 3 ora folakandro.  I Dadanay sy Mamanay mihitsy no mampianatra anay mangataka izay marihina fa toa zary  lasa fihetsika mahazatra eto amintsika fa tsy misy tompon’andraikitra mitsangana na dia iray aza. Voararan’ny lalana anefa ny fampiasana zaza tsy ampy taona tahaka ireny ary miankina betsaka amin’ny famolavolana azy dieny izao ihany koa ny fiainany atsy ho atsy. Eo an-danin’izay, mbola adidin’ny ray aman-dreniny ny mamelona sy miahy ny zaza tsy ampy taona tahaka ireny ary mamolavola azy ho olom-banona.  Tsy mahagaga, araka izany, raha ireny ankizy mpangataka ireny ihany no lasa mpanao sinto-mahery satria efa zatra mitady vola amin’ny fomba hafa.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT