Actualités

Hazakaza-tsoavaly Frantsay Ny PMU BET ihany no afaka mitrandraka azy eto Madagasikara


  • Alakamisy 05 Aprily 2018

Ny PMU BET irery sisa manomboka izao no afaka mitrandraka ireo hazakazaka Frantsay eto amintsika. Fantatra izany nandritra ny fivoakan’ny didy iraisan’ireo minisitera efatra niara-nanao sonia izany tamin’ ny 30 martsa lasa teo, fanambarana avy amin’ny komity mpitantana ny AHCEL.

 

 Ny Pmu Madagascar no hany tokana nanana io fitrandrahana io teo aloha hatramin’ny fahatapahan’ny fifanarahana teo amin’io orinasa iray io sy ny Pmu France izay tompon’ny vokatra, raha tsiahivina. Efa niakatra fitsarana teny anivon’ny tribonaly frantsay mihitsy  ny raharaha, ka tsy nahazo rariny tamin’ny fitoriana nataony ny Pmu Madagasikara. Vokatry ny tatitry ny ACHEL tamin’ny PMU France mikasika  ny tsy fanajana ny  fifanarahana teo aminy sy ny PMU Madagascar no anton’ny fampiatoana. Niainga tamin’ny fidiran’i Madagasikara tamin’ny lalao iraisan’ny firenena maro na ny « Mass commune » izay niditra teto amintsika nanomboka ny volana mey 2017 tamin’ny alalan’ny PMU bet  moa izany  tsy fanajana ny fifanarahana nataon’ny PMU Madagascar izany  ka anisan’ny voakasika  ny tsy fandoavana araka ny tokony ho izy ilay 5% azo avy amin’ny fitrandrahana ireo lalao avy amin’ny hazakaza-tsoavaly ireo.

 

Pati 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT