Actualités

Lalàna mifehy ny fizakana ny zom-pirenena malagasy Natao nifanentana amin`ny vaninandro ankehitriny


  • Zoma 06 Aprily 2018

Manomboka izao, tsy misy fanavahana intsony ny zanaka malagasy na avy amin`ny ray na avy amin`ny reny. Fianakaviana miisa 1 361 no nisitraka ny taratasy manamarina ny fizakana ny zom-pirenena malagasy ankehitriny raha nametraka fangatahana tamin`ny volana janoary lasa teo.

Tena tsy nifanaraka tamin’ireo lalàna velona (Lalàmpanorenana) sy ireo fifanarahana iraisam-pirenena efa nankatoavin’ny firenena malagasy ny lalàna mifehy ny fizakana ny zom-pirenena malagasy teo aloha. Lany andro tokoa ny lalàna mifehy ny fizakana ny zom-pirenena malagasy (code de la nationalité) teto amintsika ka nasian-panitsiana ary natao nifanentana amin’ny vaninandro ankehitriny. Tsy lojika tokoa ny zava-nisy teto amintsika tamin`ny lalàna taloha satria ilay lalàna mihitsy no mametra ny tsy fahazoana zom-pirenena malagasy ho an’ny zaza nateraky ny reny malagasy manambady ara-dalàna olona hafa firenena ka mety hahatonga ilay zaza ho tsy mizaka zom-pirenena (apatride) raha sanatria tsy mahazo izany any amin’ny rainy izy. Maro ireo sakantsakana isan-tokony tsy nahazoan’ny olona teraka fahagolantany sy nitoetra ela teto Madagasikara ny zom-pirenena maha malagasy azy ireo ka izao nahazo rariny izao ankehitriny. Lany teo anivon`ny parlementera ireo volavolan-dalàna momba io tsy fananana zom-pirenena na ny mponina, fiahiana ara-tsosialy ary fampiroboroboana ny vehivavy,  mba ny hisian’ny fanovana ny lalàna mirakitra ny fananana zom-pirenena, indrindra ho an’ireo zaza eto Madagasikara satria ny firenentsika dia voasokajy tao anatin`ireo firenena 27 izay hanjakan`ny fanavakavahana ny vehivavy.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT