Actualités

Kaominin`i Betsiaka-Ambilobe Alaina amin’ny elikoptera ny volamena trandrahan`ny Sinoa


  • Alakamisy 05 Aprily 2018

Efa an-taonany maro no nandrenesana ny fitrandrahana ataon`ny sinoa ao amin`ny kaominina Betsiaka, fokontany Ankatoko, Andrifialava, distrika Ambilobe. Ireo sinoa moa dia efa mampiasa fitaovana ari-pomba toy ireo milina manara penitra entina hitrandrahana ireo harena an-kibon`ny tany indrindra fa ny volamena.

 

Ny milina ihany no manivana volamena ka vetivety foana dia efa mavoangona tany sivanina be dia be ary mahavita manivana tany 1 500 taonina isan`andro ka tombanana hahazo volamena 3,5kg isan`andro izany hoe raha atao ny kajikajy dia maherin`ny iray taonina isan-taona ity fitrandrahana ity. Manan-karena iny faritra Ambilobe iny ary misy tobim-bolamena maherin`ny 500 taonina ao Betsiaka. Manivana amin`ny renirano ny olona amina 50 km hatrany Daraina dia mbola mahazo pitipitika volamena. Tsy mahagaga ankehitriny raha taterina amin`ny angindimby mihitsy ireo volamena voaangona ary tsy voafaritra mazava hoe tokony ho firy kilao ny volamena voatatitra. Efa ela no nisian’ity kariera ity ary nitrandrahan’ny olona harena an-kibon’ny tany, saingy gaboraraka ny fitantanana an’izany. Noho izany, aiza ho aiza ny fandraisana fanapahan-kevitry ny Fitondram-panjakana? Misy fikambanana mpitrandraka volamena maherin’ny 300 any an-toerana ary an’aliny ny olona mivelona amin’izany fitrandrahana izany. Ny olana dia tsy misy fanarahan-dalàna ny fitrandrahana ao fa samy manao izay saim-patany na ny mpitrandraka, na ny mpividy. Na dia mbola vao eny an-dalana aza ny entana dia efa misy mividy fa tsy voatery ho ho tonga aty Antananarivo foana vao lafo. Ny any an-toerana aza moa dia efa tsy miteny intsony raha tsy 5 000 arivo farafahakeliny. Ny tena olana dia samy manao izay mahamety azy na ny mpitrandraka na ny mpividy satria samy tsy te hanaraka lalàna fa izay tian’izy ireo hatrany no ataony. Ny “redevance minière” koa moa dia tsy tonga any amin’ny Faritra ohatra nefa izay no tokony hampandrosoana ny faritra. Ny laharampamehana amin’io fitrandrahana ao Betsiaka io dia ny fametrahana fitantanana mazava dieny mialoha satria misy vola tokony hiditra amin’ny Faritra avy amin’io fitrandrahana io, ary misy koa tokony hiditra amin’ny kaomina. Ny fametrahana ny tsara tantana sy manara-dalàna ao amin’io faritra io no zava-dehibe kanefa toa zary lasa tany tsy misy fanjakana eto Madagasikara. Mahavariana tokoa fa dia tsy misy fepetra raisin`ny fitondram-panjakana hatramin`izao.

 


Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT