Actualités

Croix rouge Malagasy Hikarakara hazakazaka lavitr’ezaka manani-bohitra


  • Zoma 06 Aprily 2018

Hikarakara hazakazaka lavitr’ezaka manani-bohitra ny fikambanana Croix rouge Malagasy amin’ny alahady ho avy izao. Tsy hanavahana sokajin-taona fa mety avokoa na ny ankizikely aza saingy tsy maintsy mitondra certificat médical entina hanamarinana ny fahasalaman’ilay mpandray anjara kosa,

 

hoy Atoa Njaka Tsirofo, talen’ity hazakazaka lavitr’ezaka ity. Etsy amin’ny kianjan’Alarobia no hiainga ny hazakazaka manomboka amin’ny 7 ora maraina. Avy hatrany dia hihazo an’i Laniera sy ny manodidina izany ary hipaka hatrany Ambohimanga  ho an’ireo misafidy  ny halaviran-dalana 21 km sy 42 km amin’ny sarany 30.000 Ar raha manodidina ny lapan’ny tanàna eny Ambohimanga ihany ny halaviran-dalana ho an’ireo misafidy ny 4 km sy ny 10 amin’ny sarany 8.000 sy 10.000 Ar. Efa mahatratra 250 hatreto ireo mpandray anjara raha 600 hatramin’ny ankizy madinika. Na izany aza mbola mitohy ny fisoratana anarana. Anisan’ny tanjon’ny fikambanana Vokovokomena Malagasy amin’ity hazakazaka lavitr’ezaka ity moa ny hampivondronana indray ny olona amin’ny sokajy rehetra sy hanatevenana ny fihavanana eo amin’ny samy Malagasy.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT