Nikorontana tanteraka indray ny ankamaroan’ny banky tamin’ny fandraisan-karama farany teo. Nahitana filaharana lavareny izay nampikaikaika ny maro indray.
Araka ny fanazavana voaray aloha dia ny fihitsohan’ny tambajotram-pifandraisana hatrany no valin-teny nataon’ny tompon’andraikitra. Saika naka vola daholo ny olona tamin’io fotoana io ka nikatso ny solosaina, hoy izy ireo. Ankoatra ny tsy fahampian’ny mpiasa dia nanamafy ihany koa izy ireo ny tsy fahampian’ny vola rehefa fotoana fandraisan-karama. Tsy maharaka ny vola misy ao satria misy maka vola be ka voatery tsy maintsy miandry ny vola hafarana manaraka. Fa nanazava ihany koa ny teny anivon’ny banky fa moramora kokoa raha banky mitovy no anaovana ny fifanakalozana satria eo no ho eo ihany dia mety izany. Raha banky roa samy hafa mantsy no manao ny fandefasana vola na virement dia 72 ora anaty andro fiasana (ouvrables) vao azo raisina ny vola. Raha tany amin’ny masoivoho nanokafana kaonty kosa no andefasana vola dia tonga dia azo raisina satria ao avy hatrany (positionné). Raha any amin’ny masoivoho toerana hafa izay tsy nanokafana ny kaonty no manao fandefasana vola dia tsy maintsy angatahana fahafahana, izany hoe mangataka amin’ilay masoivoho nanokatra ny kaonty aloha vao azo atao ny fandefasana ny vola ka aorian’izay vao afaka misintona. Tokony hojerena haingana ireo olana any amin’ny banky ireo fa tena mandany fotoana sady mandreraka sy mahasorena ny mpanjifa.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.