• Zoma 20 Aprily 2018
Actualités.Groupe Vidy Varotra Hanitatra ny orinasany any Afrika

Nankalazaina teny amin’ny hotely Carlton Anosy tamin’ny fomba manetriketrika, izay nafanain’I Bodo sy Rija Ramanantoanina, ny Tambour Gasy ary ny tarika mpanao soradia Dih’vin ny alarobia 18 aprily lasa teo ny faha 15 taonan’ny gazety Vidy Varotra; orinasa Malagasy, manao loha laharana ny foto-kevi-dehibe 4, dia ny asa fanaovan-gazety sy ny haino aman-jery, ny fanabeazana, ny teknolojia vaovaon’ny fifandraisana ary ny fisokafana amin’ny any ivelany ny “Groupe Vidy Varotra”.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 20 Aprily 2018
Actualités.Fiaraha-miasa amin’ny FAO Tombony ho an’ny tontolo ambanivohitra

Omaly no natao tetsy amin’ny Hotel Carlton ny hetsika fampahafantarana sy fanaovan-tsonia ny tahirin-kevitra CPP (Cadre de Programation de Pays) momba ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy ny FAO (sampan-draharahan’ny firenena mikambana momba ny sakafo) manomboka ny taona 2018 hatramin’ny 2021.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 20 Aprily 2018
Actualités.Salon HR TROPHY Hanampy ny tanora mba hanana asa mendrika

Nosokafana tamim-pomba ôfisialy omaly etsy amin’ny garan’i Soarano hifarana anio zoma 20 Aprily ilay Salon HR Trophy andiany karakarain’ny World Trade Center sy ny “syndicat autonome des inspecteurs de travail” .

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 20 Aprily 2018
Actualités.Kaontenera 1000 mihitsoka ao Toamasina Efa mamoaka fofona ireo vary lo

Nitsidika an’i Toamasina ny alarobia tapak’andro maraina ny praiminisitra niaraka tamin’ireo minisitry ny vola sy teti-bola, ny minisitry ny varotra sy ny fanjifana, ny minisitry ny fitaterana, notronin’ireo mpandraharaha sy ny mpitatitra ary ny ekipan’ny lehiben’ny faritra atsinanana.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 20 Aprily 2018
Actualités.Fanajariana ny tany eny Ampitatafika Antoky ny fampandrosoana ny kaominina

Nankatoavin`ny Fanjakana Malagasy, araka ny didim-panjakana nivoaka teo anivon`ny Filan-kevitry ny ministra ny alarobia 18 Aprily lasa teo, ny drafitra hanajarian`ny Tany na Plan d`Urbanisme de Détail (PUDé) ho an`ny lemaka ao amin`ny Kaominina Ampitatafika.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 20 Aprily 2018
Actualités.Ministeran’ny asa vaventy Fividianana fiara “4x4” miisa 25 ve no tena laharampahamehana

Nanolotra fiara miisa 25 ho an'ny Ministeran'ny Asa Vaventy ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina omaly maraina teny.

Hamaky ny tohiny
FTT