Actualités

Ministeran’ny asa vaventy Fividianana fiara “4x4” miisa 25 ve no tena laharampahamehana


  • Zoma 20 Aprily 2018

Nanolotra fiara miisa 25 ho an'ny Ministeran'ny Asa Vaventy ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina omaly maraina teny.

 Ny Minisitry ny asa vaventy Eric Razafimandimby, tompon’andraikitra voalohany no nanao ny fandraisana ara-teknika izany teny Iavoloha. Ireto fiara ireto dia noviadiana tamin'ny volam-panjakana madiodio. Voalaza moa fa hanohizana ny fanamboaran-dàlana eto an-drenivohitra sy any amin'ny faritra izy ireo. Endriky ny fisandratana sy fampandrosoana izao, hoy kosa ny Filoha. Natolotra ho an'ny Ministeran'ny Asa Vaventy izy ireo, ka 22 ho an'ny rantsa-mangaikan’ny ministera isam-paritra, ary ny 3 ho an'ny ministera foibe eto Antananarivo. Tena tanjona ho amin’ny fampandrosoana tokoa sa firobarobana? Sa kosa mety ho fanadiovam-bola maloto? Toa mampieritreritra ihany mantsy hoe ao anatin’ny fotoan-tsarotra tahaka izao ve hividianan’ny fanjakana fiara tsy mataho-dàlana raitra. Raha kotiana tsotsotra hoe 120 000 000 tapitrisa ariary ny iray, dia manome 3 000 000 000 Ariary izany ireo. Fanompana vahoaka an-kitsirano no handraisan’ny maro izany satria tsy laharam-pahamehana mihitsy izany hividy fiara 25 ho ana ministera izany mitaha amin’ny fidangan’ny vidim-piainana. Fanamboaran-dàlana ahoana ihany koa moa no hilana fiara tsy mataho-dàlana? Raha fanamboarana sy fikojakojana ny làlana izany eto amintsika dia resaka no betsaka, ary na misy aza toa feno bizina sy tsy dia mangaraharaha. Nambaran’ny minisitra, fa ankoatra ny any amin’ny faritra dia efa manomboka ny fanamboarana ireo lalana eto Antananarivo. Moa ve mifanaraka amin’ny volabe alaina amin’ny fiara sy ny mpandraharahan’ny solika amin’ny alalan’ny kitapom-bola ho an’ny tahiry ho fikojakojana ny làlana na ny FER  ny asa nolazaina fa efa natao sy mbola atao ?

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT