Nitsidika an’i Toamasina ny alarobia tapak’andro maraina ny praiminisitra niaraka tamin’ireo minisitry ny vola sy teti-bola, ny minisitry ny varotra sy ny fanjifana, ny minisitry ny fitaterana, notronin’ireo mpandraharaha sy ny mpitatitra ary ny ekipan’ny lehiben’ny faritra atsinanana.
Nisy ny fihaonana natao tao amin’ny lapan’ny faritra nandinihana ny olana amin’ny fikatsoan’ireo kaontenera miisa 2.194 eo anivon’ny orinasa Mictsl, sy ny fidinana ifotony teny an-tseranan-tsambon’i Toamasina nijerena ifotony ny tena zava-misy marina, izay miteraka fitarainana sy fatiantoka goavam-be ho an’ny mpandraharaha sy ny mpitatitra ary ireo mpisahana famoahana entana.
Avela ho lo?
Hagagana ny an’ny rehetra nihatrika ny fihaonana tamin’ny praiminisitra ity tamin’ny filazan’ny tale jeneralin’ny Spat, fa misy vary tsy latsaky ny 1.000 kaontenera mihitsoka eo anivon’ny Mictsl tsy havoakan’ny tompony nefa efa nandoavana haba sy hetra. Raha ny fanazavana dia efa misy lo ny ampahany amin’ireo vary ireo ankehitriny noho ny resaka toetr’andro, satria tsy toerana fitehirizana entana ny seranan-tsambo fa toerana fandalovan’izany fotsiny. Fantatra ihany koa fa ilay vary nafaran’ny Phoenix sy Enac izay ny filoham-pirenena mihitsy no nitsena sy nandray ary nanazava ny momba izany tao amin’ny magazain’ny orinasa Smmc nandritra ireny olana ara-bary teto amintsika teo aloha ireny, dia ankehitriny misy olana ihany koa ity vary ity izao noho ny olana teo amin’ny Phoenix sy ny Enac tamin’ny orinasa nividianany ny vary izay nitory azy teny amin’ny fitsarana noho resa-vola sy resaka trosa; ka mihitsiko eo anivon’ny seranan-tsambo koa ireto vary an’aliny taonina, izay efa mamoaka fofona maimbo be ihany koa noho izy ireo efa manomboka miha-lo amin’izao fotoana izao.Tao anatin’ny ora roa nisian’ny fihaonana tao amin’ny lapan’ny faritra atsinanana notarihan’ny praiminisitra, dia isan’ny teny niverimberina nolazainy dia hoe “mandray andraikitra” ny fanjakana izao, ka hisy ny didim-pitondra havoakany tsy ho ela hampahalalana ireo tompon’ny entana tsy misy mpaka eo anivon’ny Mictsl ireo, ka mahatonga ny fahateren’ny toerana fanatobiana kaontenera izay feno amin’ny 95% amin’izao fotoana; koa aorian’izay dia hiroso amin’ny lavanty ireo entana mbola azo amidy sy hanapotika ireo entana efa simba ny fanjakana. Ny ankamaroan’ireo entana ireo anefa dia sakafo sy filana an-davanandron’ ny mponina avokoa.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.