Nosokafana tamim-pomba ôfisialy omaly etsy amin’ny garan’i Soarano hifarana anio zoma 20 Aprily ilay Salon HR Trophy andiany karakarain’ny World Trade Center sy ny “syndicat autonome des inspecteurs de travail” .
Tranoeva manodidina ny 15 isa no mandray anjara amin’izany izay samy manana tanjona hanatsara ny tontolon’ny asa sy ny fitadiavana asa eto Madagasikara avokoa. Amin’ny ankapobeny mantsy raha araka ny fanazavan-dRatsirahonana Merecedes, mpikarakara dia saika manao asa tsy mifanaraka amin’ny fari-pahaizany avokoa ireo tanora Malagasy nahavita fianarana. Misy ihany koa ireo miasa fotsiny ihany hoy izy saingy tsy araka izay mahamety azy ilay asa hataony sy ny karama raisiny hany ka tsy afaka handroso sy hivoatra mihitsy ireny karazan’olona ireny. Misy mihitsy araka izany ny fampianarana ireo mpitsidika ny momba ny tontolon’ny asa amin’ny ankapobeny, ny fikarakarana ny antontan-taratasy toy ny fangatahana sy ny CV alefa eny anivon’ny orinasa; raha misy ihany koa ireo orinasa izay mandray mpiasa avy hatrany raha mahita olona manam-pahaizana sy mahafeno ireo karazana fepetra takiany. Ao amin’ny tranoevan’ny Jobfair no ahitana ity farany. An-jatony moa ireo mpitsidika andrasana ho avy amin’ity hetsika ity izay marihina fa tsy misy vidim-pidirana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.