Nankalazaina teny amin’ny hotely Carlton Anosy tamin’ny fomba manetriketrika, izay nafanain’I Bodo sy Rija Ramanantoanina, ny Tambour Gasy ary ny tarika mpanao soradia Dih’vin ny alarobia 18 aprily lasa teo ny faha 15 taonan’ny gazety Vidy Varotra; orinasa Malagasy, manao loha laharana ny foto-kevi-dehibe 4, dia ny asa fanaovan-gazety sy ny haino aman-jery, ny fanabeazana, ny teknolojia vaovaon’ny fifandraisana ary ny fisokafana amin’ny any ivelany ny “Groupe Vidy Varotra”.
Anisan’ny gazety be mpanjifa indrindra
Ny gazety Vidy Varotra no nipoitra voalohany, tao anatin’ny vondrona, tamin’ny 16 aprily 2003, mivoaka isan-kerinandro izy io tany am-piandohana ary lasa mivoaka in-telo isan-kerinandro ankehitriny .Nihitatra tsikelikely ny orinasa, ary nivoaka nanaraka azy ireo gazety hafa : ny gazety “job” sy ny gazety “jejoo” ary ny gazety “tia tanindrazana” izay efa tafiditra ao anatin’ireo gazety be mpamaky indrindra eto Madagasikara. Tamin’ny taon-dasa dia nanokatra onjam-peo “Top Radio” 102.8 FM ny orinasa. Ankoatra ny resaka haino aman-jery dia manana ivon-toeram-panabeazana 2 ny orinasa, dia ny “Pretoria Montessori Preschool” any Afrika Atsimo, ao Garsfontein sy Brooklyn, izay manabe zaza sy ankizy miisa 150, ary ny ITUniversity etsy Andoharanofotsy, sekoly ambony manofana momba ny infôrmatika sy miara-miasa amina mpisehatra ara-infômatika any ivelany. Ary satria manome lanja ny fivoaran’ny teknôlôjia ny “Groupe Vidy Varotra”, dia nanangana ny BICI, ivon-toerana manome torohevitra ara-infôrmatika. Ary ny farany indrindra dia manohana ny mpanakanto ihany koa ny vondrona, isan’izany ny tarika Ambondrona.
Asa tsara kalitao
Tafiditra ao anatin’ny tetikasa irosoan’ny Groupe Vidy Varotra manaraka indray eo amin’ny resaka teknolojia ny Smart Car, fiara azo baikoana amin’ny finday sy ny Smart Home na trano rakotra teknolojia hampandehanana ny fitaovana ampiasaina ary ny Ketrika.mg ahitana kilalao sy hahafana mividy entana eto an-toerana sy any ivelany.Mieritreritra ny hanangana sekoly any Senegal sy Cote d’Ivoire ihany koa ny Groupe Vidy Varotra ary andrasana amin’ity taona ity ny fanombohan’ny fiaraha-miasa amina oniversite Amerikanina. “Zava-dehibe voizina, fototra amin’ny fivoaran’ny orinasa iray, ny fanetren-tena ananana sy ny fanomezan-danja ny kalitaon’ny asa, fa tsy ny voninahitra” hoy Atoa Tahina Razafinjoelina, filoha tale jeneralin’ny Groupe Vidy Varotra raha nanome torohevitra ireo maniry ny hananganana orinasa ny tenany.Zava-dehibe ihany koa, hoy izy ny finoana sy ny fikirizana satria tsy misy zavatra azo moramora foana izany ary tsy maintsy misy ny fisedrana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.