Omaly no natao tetsy amin’ny Hotel Carlton ny hetsika fampahafantarana sy fanaovan-tsonia ny tahirin-kevitra CPP (Cadre de Programation de Pays) momba ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy ny FAO (sampan-draharahan’ny firenena mikambana momba ny sakafo) manomboka ny taona 2018 hatramin’ny 2021.
Anisan’ny votoatin-dresaka amin’izany ny fanampiana ny tontolo ambanivohitra ny amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro. Iaraha-mahalala fa marefo ny any ambanivohitra rehefa misy ireny loza ara-boajanahary mifandraika amin’ny toetr’andro ireny. Eo ihany koa ny fitantanana maharitra ny harena ara-boajanahary ka nanetsehana ireo ministera tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Fantatra fa mbola mirongatra eto Madagasikara ny fanodikodinana antsokosoko sy fanondranana ireo harena ara-boajanahary. Vao tsy ela no nisy ireny sokatra 10 000 tratra ireny ary maro ihany koa no mety mbola mitahiry izany fa mbola tsy tratra hatreto. Arak’izany dia nisy ny komity natsangana mandamina sy manaramaso izany rehetra izany. Ho hentitra tanteraka ny fanaraha-maso eny amin’ny seranan-tsambo sy ny seranam-piaramanidina mba hisorohana ny fahaverezan’ny harena ara-boajanahary. Natao koa ity fiaraha-miasa ity mba hanavaozana ny antontan’isa momba ny fambolena sy fiompiana ary ny jono. Efa tamin’ny 2004 no nanaovana izany farany ary efa tara i Madagasikara satria tokony havaozina isaky ny folo taona izany. Inoana fa mba hisy vokany amin’ny vahoaka indrindra ny tambanivohitra indray izao fiaraha-miasa hanaovan-tsonia izao fa tsy ho resaka ambony latabatra fotsiny.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.