Nankatoavin`ny Fanjakana Malagasy, araka ny didim-panjakana nivoaka teo anivon`ny Filan-kevitry ny ministra ny alarobia 18 Aprily lasa teo, ny drafitra hanajarian`ny Tany na Plan d`Urbanisme de Détail (PUDé) ho an`ny lemaka ao amin`ny Kaominina Ampitatafika.
Tetikasa lehibe mikatsaka ny fanatsarana ny seha-pampandrosoana sy ny lafiny ara-toekarena no voizin’ny tetikasa amin’ny alalan’ny famolavolana drafitra maty paika eo amin’ny sehatry ny fanajariana ny tany. Manana fanamby lehibe amin’ny fanitarana ny tanàna ny ben`ny tanàna an`Ampitatafika, Rado Ramparaoelina, entina hampiroboroboana ny lanjan` ny Kaominina izay sahaniny amin’ireo hafa manerana an’i Madagasikara, izay ho tombodahiny ho an’ny seha-pampandrosoana. Mizara telo ny vinan`asa, dia ny fanavaozana ny drafi-panorenana eto Ampitatafika. Hisy ny fananganana trano maro manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Eo ihany koa, ny vinavina amin`ny fananganana orinasa lehibe mba hahafan`ny vahoaka ao an-toerana migoka an`izany eo amin`ny sehatry ny asa. Efa nisy hatrany ny fihaonana teo amin`ny Kaominina sy ny mpiara miombon`antoka.Nohamafisin’ingahy ben’ny tanana fa tsy maintsy manaraka an-tsakany sy an-davany nydrafitra hanajarian`ny tany izany mba hisorohana ny tondra-drano. Naharitra telo taona ny famolavolana izany politikan`ny fanajarian`ny tany ary maro ny fivoriana natao hatramin`izay. 85% tokoa ireo tanimbary ao amin`ny lemaka eny Ampitatafika no tena lasa biriky fotsiny ka teo nikarohana hevitra hoe ahoana ny fomba atao mba hahafahana mametraka tomba-bidy na ``valeur ajoutée`` an`ireo tanimbary ireo hoy hatrany ny ben`ny tanàna. Raha mijanona ho tanimbary izy ireo dia efa miakatra ny ``nappe phréatique`` izany hoe misy an`ilay rano trambo, izay enti-milaza rano tondraka be vetivety noho ny orana avy tampotampoka. Fahombiazana hatrany izao satria higoaka ny voka-tsoa amin`izay ny mponina ao Ampitatafika sy ny manodidina hoy hatrany, Atoa Rado Ramparaoelina.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.