• Zoma 29 Janoary 2010
Actualités.Fanamboarana ny Lapan’ny tanàna : Tsy mbola voaloa ny volan’ny SOI

Fanomezana asa tsy misy tolo-bidy na « marché gré à gré » no nahazoan’ny cabinet SOI ny fanamboarana ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo. Tsy fantatra ihany koa na nahazo na tsia ny fankatoavana avy amin’ny vaomieram-paritra misahana ny ‘marché’ eto amin’ny faritra Analamanga ny kabinetra niandraikitra izany.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 29 Janoary 2010
Actualités.Tetikasa « Complexe de marché linéaire » : Nankatoavin’ny Mpanolotsaina monisipaly

Nankatoavin’ny Mpanolotsain’ny tanànan’Antananarivo nandritra ny fivoriana tsy ara-potoana nataon’ny Filankevitra monisipaly nanomboka ny alarobia 27 janoary ary hifarana anio ny tetikasa hanangana tsena mitantavana na « Complexe de Marché linéaire » amin’iny ilany atsimo andrefan’ny Boriborintany voalohany iny.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 29 Janoary 2010
Actualités.Ambalavelona-Ambanja : Simba sahady ny lalana RNS-30

Simba sahady ny lalana mampitohy an’Ambalavelona amin’Ankify, mampifandray ny RNS30 amin’ny lalam-pirenena faha-6 any Ambanja, Faritra DIANA. Lalana mirefy 17 km eo izy io, ary notokanana ny Sabotsy 21 novambra 2009.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 29 Janoary 2010
Actualités.Fiarabe nivadika tetsy Antsahabe : Mpandeha 8 no naratra

Nisehoana lozam-pifamoivoizana tetsy Antsahabe, manoloana indrindra ny magazay “mascotte”, omaly folakandro tokony ho tamin’ny 1 ora. Nivadika teo afovoan-dalana ny fiarabe mpitatitra olona Mercedes 508 an’ny zotra kaoperativa Komi mampitohy an’Ambohijatovo amin’i Tsilazaina.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 29 Janoary 2010
Actualités.Antananarivo Renivohitra: Tratra ireo mpangalatra raindahiny

Tratry ny Zandary avy ao amin’ny Borigadin’Antananarivo Renivohitra ny 26 janoary 2010 ny andian-jiolahy miisa 4, mpamaky trano ikoizana amin’iny faritra Ambanidia sy ny manodidina iny.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 29 Janoary 2010
Actualités.Fahatarana amin’ny fandoavana karama : Mety hiteraka korontana

Mbola maro be hatramin’izao ireo miaramila tsy faly noho ny fahatarana tamin’ny fandoavana ilay fisondrotan-karama sy ny prime nampanantenain’ny fitondrana tetezamita.

Hamaky ny tohiny
FTT