Actualités

Manakara Nilahatra ny mpomba ny Ben’ny tanŕna


  • Alatsinainy 28 Jona 2010

Tsy nampoizin’ny Lehiben’ny Faritra Vatovavy Fitovinany ny zava-nitranga nandritra ny matso fankalazana ny fetim-pirenena faha-50 taonan’ny fahaleovantena sady faha-50 taonan’ny tafika Malagasy ihany koa, tao Manakara.

Nilahatra ary nilanja sorabaventy mantsy ny mpomba ny Ben’ny tanàna Andriano Giscard. Sadaikatra Rakamisilahy Martial nanoloana ny vahininy. Tao an-toerana mantsy ny lietnà kolonely Georget, Ministry ny jono sy ny harena an-dranomasina tamin’io fotoana io, izy rahateo dia zanaky ny faritra, saingy solontenan’ny fitondrana FAT niara-nankalaza ny 26 jona no nahatongavany tao Manakara. Saika hofaranan’ny lehiben’ny Faritra ny fotoana rehefa nipoitra izany saingy tsy nety niala ny ministra ka dia voatery niaritra teo ny tenany, hoy ny loharanom-baovao. Ny Mpanjakan’i Maroala, izay tompon’ny vinanin’i Manakara mihitsy moa no nialoha lalana nitarika ny mpomba ny Ben’ny tanàna tamin’ity indray mitoraka ity. Tsy niato, araka izany, fa izay hirika rehetra ahafahan’ny mponin’i Manakara maneho ny heviny amin’ny tsy fankasitrahany ny fisisihan’ny FAT hametraka delegasiona manokana hitantana ny tanàna dia anaovan’izy ireo izany hatrany. Ny avy amin’ny Komity Miaro ny Demokrasia ao Manakara tetsy an-daniny nilanja sora-baventy manamafy io tsy fankasitrahany ny delegasiona manokana io, ary nahita maso izany ny ministry ny jono sy ny harena an-dranomasina iraky ny FAT tany Manakara tamin’io fotoana io. Marihina fa samy nandefasan’ny lehiben’ny Faritra fanasana hanotrona ny fankalazana ny 26 jona na ny Ben’ny tanàna na ny filohan’ny delegasiona manokana. Mbola tantara mitohy ity resaka Manakara ity.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT