Actualités

Toamasina Soa ihany fa tonga ny tarika Kassav


  • Alatsinainy 28 Jona 2010

Tsy nanadino ireo mahantra karakarainy amin’ny alalan’ny “Assistance sociale” ny ao amin’ny kaominina Toamasina renivohitra.

Mahantra niisa 480 no nomen’izy ireo vary 2kg sy nofon’akoho 250g isan’olona ny zoma 25 jona lasa teo entina hanaovana fety. Toraka izany koa ny faritra Atsinanana izay nanome azy ireo vary 2,5kg sy henan’omby 500g ihany koa ny zoma alina. Ny orinasa Zain ao Toamasina koa tsy nanadino ny ankizy ka nanolotra arendrina ho an’ireo zaza zanaky ny sahirana mba hiara-hifaly amin’ireo zaza sy ankizy tahaka azy amin’izao fetim-pirenena sy fetin’ny ankizy ny volana jona izao.

Na fety aza ny andro ny herinandro lasa teo, dia ny olona fotsiny no maro mivezivezy etsy sy eroa ombam-bady aman-janaka, fa ny hetsika dia nangatsiaka niaraka tamin’ny andro ho an’i Toamasina. Soa fa tonga ny tarika Kassav nanafana izany ny 26 jona tolakandro, na efa ady aza no nahazoana azy noho ny fandaharam-potoan’ny tarika. Ny arendrina tokony hiainga isaky ny boriborintany dimy ny 25 jona tsy nisy na iray aza, ny afomanga izay fahazaran’ny olona ny mijery izany aorian’ny filaharana mitondra fanala eny amoron-dranomasina, tsy nisy raha tsy ny 26 jona alina, izay mbola zara koa raha nilamina noho ny elanelana be loatra eo amin’ny fipoahana, hany ka nahakivy ny maro ka nanasa azy ireo nody tsy satry.
Maro ny resaka sy feo heno tamin’ity fetim-pirenena faha-50 taona ny niverenan’ny fahaleovantena ity, be ny nankasitraka, tsy vitsy koa ny nanakiana izay mihevitra fa raha fanovana goavana sy fety be araka ny resaka sy dokambarotra natao no ho hita, dia nifanohitra tamin’izany no nitranga ho an’i Toamasina I.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT