Actualités

TAPATAPANY


  • Alatsinainy 28 Jona 2010


Nanararaotra : Samy nanararaotra nameno ny paosiny avokoa ireo fiara fitateram-bahoaka teto an-drenivohitra ny alin’ny 25 jona lasa teo. Anisan’izany ireo taxibe mihazo an’Itaosy. Tafakatra 500 Ar ny saran-dalana nanomboka tamin’ny fito ora hariva. Tsy vitan’izay fa mbola namilafila mpandeha ihany koa ny mpamily sy ny resevera. Nahintsana teny am-pandehanana izay tsy nanana vola madinika, eny fa na dia tamin’ny toerana mangina aza. 

Loka : Vola ana hetsiny no nozaraina tamin’ireo tovovavy sy tovolahy nifaninana nihira sy nandihy tao amin’ny kianja fanaovana baskety ao amin’ny Cité des Assureurs Itaosy ny alin’ny 25 jona lasa teo. Nasaina niaka-tsehatra izay sahy nifaninana ary notolorana loka araka izay taranja nifaninanany. Ny restaurant Castello Motel etsy Anosizato moa no tompo-marika tamin’izany.
 
Fotodrafitrasa : Nampahafantarina ny andron’ny 26 jona teo ny “Institution Philbert Tsiranana” ao Anahidrano, distrikan’Antsohihy. Anisan’ny ho hita ary hibahan-toerana ao amin’ity toerana ity ireo antontan-taratasy sy boky mirakitra ny tantaran’ilay rain’ny fahaleovantena Philbert Tsiranana.
 
Ambohijatovo : Toeram-pitsangantsanganana tsy lefy laza ny zaridaina Ambohijatovo ao rehefa andro fety. Olona an’arivony no nameno ity toerana ity ny folakandron’ny 26 jona lasa teo nampilalao sy nampiala voly ny zanany tamin’ireo alalan’ireo karazan-kilalao toy ny manezy, ny masinina kely… Fa mitombo isa ihany koa ireo mpivaro-toaka sy zava-pisotro izay nanemitra nanoloana ny vavahady.
 
Faritra 22 : Saika nahitana fitokanana takela-bato fahatsiarovana avokoa nanerana ireo faritra 22 manerana ny Nosy ny andron’ny 26 jona lasa teo, tsingerin-taona faha-50 nahazoana ny fahaleovantena.Hita sy re tany amin’ireny toerana ireny nitarika ny lanonana avokoa ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta Vital.
 
Mari-boninahitra : Olona 33 isa nahavita be tamin’ny asa fampandrosoana no notolorana mari-boninahitra araka ny sokajy misy azy avy tany Marovoay ny andron’ny 26 jona lasa teo. Nofaranana tamin’ny fizarana loka ho an’ireo karazan-dalao nifaninanan’ny ankizy ny lanonana omaly.
 
Nafotaka : Na dia tsy eto an-tanindrazana aza ireo Malagasy monina sy miasa any Alzeria dia nankalaza tamim-pitoniana sy tamim-pifaliana tanteraka ny tsingerin-taona faha-50 nahazoantsika ny fahaleovantena. Vavaka no nanokafan’izy ireo ny fankalazana ny andron’ny 25 jona. Nitohy tamin’ny fandraisan’ny masoivoho Malagasy miasa sy monina any an-toerana Mahafaritsy Samuel ireo olom-panjakana sy diplômaty izany ny andron’ny 26 jona lasa teo.
 
Fanomezana : Tsy nanadino ireo voafonja any amin’ny faritra SAVA ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny any an-toerana ny andron’ny 25 jona lasa teo. Olona am-polony miandahy miambavy no notolorana fanomezana toy ny vary sy ny hena ary fitafiana, hahafahan’ireo mifaly toy ny olon-drehetra. Ankoatra io hetsika ara-tsosialy io dia olona 93 isa no notolorana mari-boninahitra ho fankasitrahana azy ireo tamin’ny asa vitany.
 
Zokiolona : Ny zokiolona mihoatra ny 80 taona kosa no nahazo tombony ho an’ny kaominina Ampanotokana, distrikan’Ambohidratrimo. Akanjo mafana maro isan-karazany no natolotra azy 30 mianadahy mianaka ny andron’ny 26 jona lasa teo ho famalifaliana azy noho ny fahatongavan’ny fetin’ny Asaramanitra. Ankoatra ireo dia olona 20 mianadahy no notolorana mari-pankasitrahana izay nahavita be tokoa tamin’ny fanohanana ireo mpitsabo miasa sy mandeha any amin’ireo toerana lavitra hopitaly.
 
Fifaninanana : Fifaninanana ratsy tarehy indrindra ho an’ny lehilahy raha tsara tarehy kosa ho an’ny vehivavy. Ireo no hetsika nentin’ny faritra Analanjirofo nanamarihana ny fetin’ny Asaramanitra ny andron’ny 26 jona lasa teo. 12 tamin’ireo mpandray anjara 22 isa no tafakatra ka lelavola 1 tapitrisa Ar sy fitsangatsanganana maimaimpoana mihazo ny Nosy La Réunion no loka natolotra ny laharana voalohany.
 
Fitiavan-tanindrazana : Tsy mbola hita taratra hatrany mandraka androany, hoy i Bruno Rajaonarivelo, mpandraharaha iraisam-pirenena raha naneho ny heviny mikasika ny fitiavan-tanindrazana izy ny tena fitiavan-tanindrazana marina na dia efa 50 taona aza ny nahazoantsika ny fahaleovantena. Na izany aza anefa, hoy izy mbola misy ihany ny fanentanana saingy miankina amin’ny fanabeazana ny tsirairay. Raha tena nisy marina mantsy, hoy i Bruno Rajaonarivelo ihany izany fitiavan-tanindrazana izany dia tsy nahantra tahaka izao i Madagasikara sy ireo vahoaka ao aminy.
                                                                                                                                       
Fjkm Andohatanjona : Tontosa omaly alahady ilay sakafom-pifaliana nokarakarain’ny sampana vondrona fototra laika eo anivon’ny Fjkm Andohatanjona, synodam-paritany Antananarivo Andrefana. Hetsika entina hanohanana ny fiangonana amin’ny asa fanamboarana toeram-pitsaboana sy akany ankoatra ny asa fanitarana. Ny 95%-n’ireo tapakila namidy tamin’ireo mpino ao an-toerana no lafo araka ny fanadihadiana natao.
 
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT