Actualités

26 jona Tsy tazana teny Mahamasina ny Ankolafy telo


  • Alatsinainy 28 Jona 2010


Na dia nisy aza ny fanasana, dia tsy namaly ny fanasan’ny fitondrana tetezamita ireo avy amin’ny ankolafy telo hiara-hankalaza ny andron’ny 26 jona, izay faha-50 taonan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara. Maro ihany anefa ireo antoko politika no namaly izany na ao anatin’ny fitondrana na any ivelany. Ankoatra azy ireo, dia tsy hita teny an-toerana ihany koa ireo filoham-panjakana rehetra teo aloha, ankoatra an’ingahy Ratsirahonana. Namaly ny antso ihany koa ny Arsevekan’Antananarivo ny Mgr Odon Razanakolona avy amin’ny EKAR, Mgr Ranarivelo Samoela Jaona avy amin’ny Fiangonana anglikanina sady Filoha mpitantatana ny FFKM amin’izao. Tsy tonga kosa ny Filohan’ny FLM Rakoto Endor sy ny Filohan’ny FJKM Rasendrahasina Lala. Teny ihany ihany koa ny solontenan’ny fiangonana orthodoxe eto amintsika. 

Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT