Actualités

Asaramanitra Roa maty, 272 naratra


  • Alatsinainy 28 Jona 2010

Marobe ny olona nifamezivezy tetsy amin’ny Hjra nandritry ny fetin’ny Asaramanitra teo. Ny 25 jona no tena betsaka satria nahatratra 145 ireo nentina tao. Raha araka ny fanazavana azo tao amin’io toeram-pitsaboana io dia ny 60 tamin’ireo no voatery notazomina raha efa nampodiana kosa ny ambiny.

Ny adiady an-dalana sy ny lozam-pifamoivoizana no tena betsaka niteraka faharatrana. Olona 36 no naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana, 16 tamin’ireo no voatery naiditra hopitaly. Nisy 30 hafa ihany koa naratra noho ny adiady teny an-dalambe. Ny 8 tamin’ireo no voatery naiditra hopitaly. Nisy ihany koa olona roa namoy ny ainy tamin’io andron’ny 25 jona io ihany noho ny ratra izay nanjo azy ireo. Ny 26 jona indray dia niisa 127 ireo olona nandalo tao amin’ny Hjra ka ny adiady an-dalambe no tena marobe. Nahatratra 31 izany ka ny 10 tamin’ireo no voatery naiditra hopitaly. Ny naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana kosa indray dia nahatratra 21 ka ny 12 tamin’ireo no naiditra hopitaly mba hahafahana manara-maso ny fahasalamany. Ny 10 hafa indray dia voatery notazomina ao amin’ny sampana fameloman’aina noho ny fahavoazana mafy nahazo azy ireo. Na izany aza anefa dia tsy nisy ny namoy ny ainy tamin’iny andron’ny 26 jona iny. Nisy ihany koa ireo izay narary vokatry ny fihinanana sakafo tsy ara-pahasalamana, ny fisotroan-toaka be loatra ary ny famonoan-tena tamin’ny fihinanana poizina. Nahatratra 47 ny fitambaran’ireo ny 25 sy ny 26 jona lasa teo. Tsy nisy kosa hatramin’ny omaly hariva, fotoana nandalovanay teny amin’ny hopitaly, ny namoy ny ainy tamin’ireo narary ireo. 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT