Actualités

Etamazaoron’ny Tafika Malagasy In-15 niova lehibe mpitantana tao anatin’ny 50 taona


  • Alatsinainy 28 Jona 2010

Momba ny tafika manokana dia ny 26 jona 1960 izy no naseho ho hitam-bahoaka voalohany, ary tamin’izany ihany koa no nanolorana azy ny fanevan’ny tafika Malagasy.

Nandritra izay 50 taona izay, dia manamboninahitra 15 no efa nifandimby nitantana ny Etamazaoro ka nanomboka ny taona 1960 hatramin’ny taona 1972, dia ny Jeneraly Ramanantsoa no nitantatana izany, raha ny Filoham-pirenena kosa, izay Filoha ambonin’ny Tafika no nitantatana ny ministeran’ny Fiarovana. Teo ambany fiahian’ny ministeran’ny foloalindahy hatrany ny zandarimaria. Ny taona 1996 izy vao nahazo Sekretariam-panjakana manokana. Ny Polisim-pirenena kosa, dia teo ambany fiahian’ny ministeran’ny atitany hatramin’izay. Ny taona 2009 izy vao nahazo ministera ho azy manokana.

Niisa 2 763 ireo miaramila nandray anjara tamin’ny matso nentina nanamarihana ny faha-50 taona nahazoan’i Madagasikara ny fahaleovantenany sy ny nijoroan’ny Tafika Malagasy. Nandray anjara tamin’io matso io koa ireo mpandraharahan’ny fonja sy ny rano sy ala ary ireo mpamonjy voina. Nitarika ny fibaikoana ny Jeneraly Ginoasy Désiré, komandin’ny Holafy Hery Vonjitaitry ny Tafika
.
Teny ivelan’ny kianjan’i Mahamasina no nisafoana ny andian-tafika tamin’ity. Niainga teo anoloan’ny vavahadin’ny kianja nitaingina fiara ny filohan’ny FAT, Andry Rajoelina sy ny minisitry ny foloalindahy, ny jeneraly Rakotoarimasy Lucien ka nihazo an’Ampatsakana. Nisidina ny habakabak’i Mahamasina ireo fiaramanidina sy helikopteran’ny Tafika Malagasy nandritra ny matso. Tamin’ny tehaka no nandraisan’ny tao Mahamasina ny zandary avy amin’ny Vondron-tobim-paritry ny Zandarimaria eto Antananarivo notarihin’ny kolonely Ravalomanana Richard. Tsy nandray anjara tamin’io matso io ny FIS tarihin’ny Lt Kolonely Lilyson de René, noho izy ireo nangataka alalana tamin’ny lehibeny nitandro ny filaminana nandritra iny fotoana iny. Nanambara moa ity komandin’ny FIS ity, fa nandritra iny fotoana iny, dia nisy ny fanaraha-maso ireo toerana mampiahiahy rehetra.
Nialoha ity matso ity, dia nisy ny fitokanana ny tsangam-baton’ny faha-50 taonan’ny fahaleovantena izay manoloana ny kianjan’i Mahamasina.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT