• Alakamisy 29 Jolay 2010
Bepc.Antananarivo renivohitra Ratsy dia ratsy ny naotin’ny mpiadina

Ny talata 27 jolay teo no nanomboka ny fitsarana ny taratasim-panadinan’ireo niatrika ny BEPC. Hanafainganana ny famoahana ny valim-panadinana dia tsaraina avy hatrany ny taranja efa vita. Miray hevitra avokoa ireo mpitsara etsy amin’ny LMA nanontanian’ny gazety Tia Tanindrazana fa ratsy dia ratsy ny naotin’ireo mpianatra tamin’ity taona ity.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 29 Jolay 2010
Actualités.“Force One II” “Client” roa indray no teny Ivato omaly

Fampirantiana no hiafaran’ilay fivarotana ny “Force One II”, fiaramadinina fitondrana ny filoham-pirenena. Herintaona sy tapany nanaovana dokambarotra ny FAT fa tsy mety lafo ilay izy, ny “client” no miovaova isan’andro tonga mijery azy eny Ivato eny.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 29 Jolay 2010
Actualités.Raharaha tany ao Vohitrambato Voatonontonona ny anaran-dRakotovao Mariot, talen’ny Dynatec teo aloha

Omaly tolakandro no niakatra fitsarana ady madio ny fitsarana ambaratonga voalohany tao Toamasina, ny raharaha tany ao Vohitrambato izay mampifanolana ny mponina sy ny Dynatec, izay lasa tetikasa Ambatovy ankehitriny.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 29 Jolay 2010
Actualités.TAPATAPANY

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 28 Jolay 2010
Actualités.Ambodifilao-Ambondrona Anaovan’ny CUA antsojay ny mponina

Mampalahelo ny mponina ao amin’ity fokontany ity ny zava-mitranga amin’ny ataon’ny CUA ao amin’izao fotoana izao. Raha nanamboatra ny lalana simba amin’iny tohatohabato miakatra amin’iny faritra Ambodifilao–Ambondrona iny mantsy ny C.U.A. dia ny fanampenana ny “dalles” rehetra fanarian’ny mponina rano maloto no nataony.

Hamaky ny tohiny
FTT