Ny talata 27 jolay teo no nanomboka ny fitsarana ny taratasim-panadinan’ireo niatrika ny BEPC. Hanafainganana ny famoahana ny valim-panadinana dia tsaraina avy hatrany ny taranja efa vita. Miray hevitra avokoa ireo mpitsara etsy amin’ny LMA nanontanian’ny gazety Tia Tanindrazana fa ratsy dia ratsy ny naotin’ireo mpianatra tamin’ity taona ity.
“Ambany dia ambany ny fari-pahaizan’ny mpianatra raha ny taranja SVT no jerena. Mitovy fahaizana amin’ny ankizy ao amin’ny taona faha-7 na mety mpianatra mbola amin’ny kilasy ambany fa efa mitifitra bepc angamba ny ankamaroany”, hoy ramatoa Randriamahanina, mpandrindra ireo mpitsara SVT. Araka ny fanazavany dia tamin’ny androantokon’ireo kopia efa voatsara nandalo teo ambany fanaraha-masony dia iray ihany ny mpianatra nahazo isa 17/20, efatra nahazo isa 11/20 fa 6/20 sy 7/20 avokoa ny naoty ho an’ny ambiny rehetra. Raha nahita ny mpanao gazety avy eto amin’ny Tia Tanindrazana moa ireo mpitsara tao amin’ny taranja SVT dia tsy nanaiky raha tsy naneho ny heviny izay nanambara fa “tokony hoferana ny ankizy mahazo miatrika ny BEPC ary raràna koa ny fiatrehana ity fanadinana ity raha tsy taona faha-9 akory ny mpiadina”. Misy koa ireo nanolotra soso-kevitra fa izay ankizy maharaka hatrany amin’ny kilasy ambany ihany no mahazo miatrika BEPC. Hatramin’ny omaly alarobia mitataovovonana dia samy nahavita nitsara taratasim-panadinana 80 avy ireo mpitsara 36 misahana ny taranja SVT. Samy mamita taratasim-panadinana 210 avy anefa izy ireo izay henjehina amin’ny faran’ny herinandro izao.
Nanontany ny zava-misy tao amin’ny efitrano iray misy ny fitsarana ny taranja “matematika” ihany koa ny gazety Tia Tanindrazana. Kivy ihany koa ireo mpitsara satria ratsy naoty koa ny ankamaroan’ireo taratasim-panadinana efa voatsara. Raha ny fanazavan’i Haja, mpandrindra ny mpitsara ity taranja ity dia misy tokoa ireo tena mahay izay mahazo isa 58/60 saingy vitsy dia vitsy azo isaina amin’ny rantsan-tanana izy ireo. Saika eo anelanelan’ny 1 ka hatramin’ny 20/60 ny naotin’ny ambiny rehetra. Mbola nanamarika ihany koa ity mpanabe ity fa mbola ratsy lavitra noho ny tamin’ny taon-dasa 2009 ny fanadinana BEPC tamin’ity. “Noho ny fisian’ireo ankizy mandingana kilasy sy ny krizy politika no mahatonga izao toe-javatra izao” raha ny nambarany. Noho ny hateren’ny fotoana dia tsy afaka nanontany ny zava-misy tamin’ireo taranja hafa teo anivon’ny LMA ny gazety Tia tanindrazana saingy azo itarafana sahady ny voka-panadinana ny valin’ny fanadihadiana, raha tsy hoe angaha misy mazimazia indray eo !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.