Actualités

Ambodifilao-Ambondrona Anaovan’ny CUA antsojay ny mponina


  • Alarobia 28 Jolay 2010

Mampalahelo ny mponina ao amin’ity fokontany ity ny zava-mitranga amin’ny ataon’ny CUA ao amin’izao fotoana izao. Raha nanamboatra ny lalana simba amin’iny tohatohabato miakatra amin’iny faritra Ambodifilao–Ambondrona iny mantsy ny C.U.A. dia ny fanampenana ny “dalles” rehetra fanarian’ny mponina rano maloto no nataony.

Tsy neritreretiny mihitsy hoe aiza ny mponina tsy manana ireny ao an-tokantrano no hanary izany, sa hariany eny amin’ny lalana sy ny arabe ? Tsy vitsy amin’ny mponina eny tafaresaka no milaza fa hafa mihitsy ny fiainana tamin’ny Repoblika teo aloha rehetra, fa tsy mba misy mihitsy ny fanampenana ireo “dalles” rehetra ilain’ny mponina ireo hatramin’izay. Nony tamin’ity fitondrana tetezamita ity anefa dia tampenana daholo izany. Sady miaina ao anaty krizy izany ny mponina ao no miaina ao anatin’ny fitadiavana izay hanariana rano maloto. Amin’izao fotoanan’ny main-tany izao aloha tsy mbola misy fiantraikany loatra ny lalana fa rehefa tonga ny fotoam-pahavaratra vao ho hita eo ny lesoka ataon’ny CUA rehetra ao amin’io fokontany io.

Tsy misy mantsy ny lalana handehanan’ny ranon’orana amin’iny fiakarana iny ka mety ho riaka be no hikoriana eo, izay ho mety hahitan’ny olona mandalo na miakatra amin’iny fiakarana iny loza rehefa avy be ny orana. Indrindra moa raha ankizy avy mianatra sy olona osaosa no sendra izany, mety ho zakan’ny riakan-drano izy raha tsy mahay mitandrina. Tsy mba neritreretin’ny CUA mihitsy ve ny fitsinjovana izany ? Ny zavatra tsy tokony hatao izay mahafinaritra ny sainy indray no notanterahany. Ny jiro maty rehetra amin’ny “poteau” amin’iny elakelan-trano iny anefa izao dia tsy mba misy fanamboarana ataony mihitsy, hany ka manao latsak’alina amin’ny vaky trano sy manendaka izay tratrany amin’iny faritra iny ny jiolahy mpandroba. Koa manainga ny sain’ny tompon’andraikitra mba hijery izao ataon’ny CUA ao amin’ity fokontany ity izao fa mijaly ny mponina. 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

  • SAVOROVORO TENY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

AMIN'NY 67 HA

  • HERISETRA AMIN’NY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

MAHALAHY SY MAHAVAVY

  • Saran'ny fampiasana "drones"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Mahatratra 1 560 000Ar hatreto...

  • Firosoana amin’ny
  • Alarobia 29 Aprily 2026

fampiasàna nomerika

Hijery ny tohiny
FTT