Actualités

TAPATAPANY


  • Alakamisy 29 Jolay 2010


 

Dinika santatra : Ny kaominina Ankadikely Ilafy no handray sy hampiantrano ilay dinika santatra manomboka anio alakamisy 29 jolay ho an’ny distrikan’Avaradrano. Ao amin’ny toeram-pandraisan-danonana “Le suc de la ruche” no hanatontosana izany ahitana mpandray anjara hatrany amin’ny 130 isa any ho any. Voasolo tena ao anatin’io 130 isa io avokoa ireo antoko pôlitika misy ao anatin’ity distrika ity ary ny fiaraha-monim-pirenena, ny ong, ireo mpanao asa tanana, ny tantsaha ary ny mpivarotra. Ho avy hanatrika izany ireo Ben’ny tanana avy amin’ireo kaominina 14 isa mandrafitra ny distrika.
 
Bianco : Namoaka boky kely, 76 pejy, mirakitra ny asa vitany nandritra ny taona 2009 ny Bianco. Nanomboka ny voalohan’ny volana janoary 2009 hatramin’ny 31 desambra 2009 dia nahatratra 5 858 ny fitarainana voarain’ny Bianco ka ny 1 116 amin’ireo dia antontan-taratasy mahakasika ny kolikoly ary ny 357 nalefa any amin’ny Fitsarana.
 
Lisitra faharoa : Fantatra ankehitriny fa dia mbola hisy famoahana lisitra faharoa ho an’ireo mpianatra horaisina amin’ny taona faha-6 eny amin’ny CEG, sekolim-panjakana ato amin’ny Cisco Antananarivo renivohitra. Any amin’ny tapatakaky ny volana aogositra any no hivoahan’izany lisitra izany. Nisafidy ny hanohy any amin’ny sekoly tsy miankina ireo tsara naoty (13,90/0 no ho miakatra) tamin’ny fanadinana CEPE farany teo, no mahatonga ity fanapahan-kevitra vaovao ity.
 
Tontolo iainana : Nampahafantatra ny ministeran’ny tontolo iainana fa voarafitra izao ny Paikadim-pirenena itantanana ny loto samihafa (avy amin’ny rivotra, ny rano, ny ranomasina ary ny tany), izay manimba tontolo iainana sy miteraka aretina samihafa eo amin’ny olombelona. Tafapetraka ihany koa ny “komity” handrafitra ny paikady hitantanana ny “bois de rose” any amin’ny faritra SAVA sy Analanjirofo.
 
Fanadihadiana : Manao fanadihadiana ao amin’ny kaominina ambonivohitra Mahajanga ny ekipan’ny TAF (Tribunal Administratif et Financier) ao an-toerana. Voakasik’izany avokoa ny sampandraharaha rehetra misy eo anivon’ny kaominina. Nanomboka ny talata 27 jolay teo izany ary hitohy hatramin’ny 13 aogositra 2010. Mandeha mantsy ny feo fa misy mpiasa hatramin’ny taona 2001 no tsy voarotsaka any amin’ny Cnaps ny latsakembony.
 
Halatra taolam-paty : Manodidina ny 70 isa eo ho eo ankehitriny ireo olona voatonona ho tompomarika amin’ny halatra taolam-paty any Boriziny Vaovao any. Tafiditra ao anatin’izany ny Ben’ny tanànan’i Tsarahasina izay manao antso avo amin’ny fitondrana FAT ny mba hijereny akaiky ny mikasika izany. Tsy azo ekena, hoy ity Ben’ny tanàna ity ny fanosoram-potaka olona tahaka izao izay zary lasa mivadika ho resaka politika. Misy amin’ireo olona 70 ireo mantsy no manam-pikasana ny hilatsaka solombavambahoaka saingy efa voaloto sahady.
 
Nihaona : Noho ny fangatahana izay nataon’ny mpikambana ao amin’ny FAT dia notanterahina tao amin’ny Lapan’Anosikely ny alarobia 28 jolay ny fihaonana tamin’ireo solontenan’ny Raiamandreny Mijoro izay notarihan’ny filohany Pastora Ramino Paul, nampahafantaran’ireto farany ny antom-piasian’izy ireo sy ny asa sahaniny hidirana any amin’ny Repoblika faha-4 amin’ny alalan’ny fiaraha-miasan’ny Malagasy hifanatona sy hifanampy amin’ny famahana ny olana misy eto Madagasikara
 
 105 taona : Feno 105 taona katroka amin’ity taona 2010 ity ny sekoly ambaratonga fototra any Vangaindrano. Ny 01 ka hatramin’ny 03 Aogositra ho avy io no hankalazana izany any an-toerana, hanasana ireo maintimolaly sy zanaka am-pielezana manerana ny Nosy. Olomanga maro, araka ny vaovao voaray, no efa nivoaka tao amin’ity sekoly ity hatramin’ny Repoblika I. Fanamboarana ny biraon’ny mpampianatra sy fanatsarana ny efitranon-tsekoly no hatao tsangambaton’ny faha-105 taona.
 
Mitombo isa : Mitombo isa ireo mpatory an-dalana eto an-drenivohitra. Ny eny Analakely no tena ahitana izany no sady zaza amam-behivavy avokoa. Nilaozam-badiny ny ankamaroan’izy ireny araka ny fanadihadiana natao. Eo ihany koa ireo tratry ny lango malefaky ny olon-tiany ka zary nitaiza tsy fidiny.
 
Manomboka sahady : Manomboka sahady ny fividianana fitaovam-pianarana eny amin’ny “pavillon” Analakely. Ny kahie aloha hatreto no tena be mpividy, indrindra ny 100 pejy. Misy amin’ireo mpiantsena no mividy iray fonosana. Misy ihany koa anefa ireo mividy hatrany amin’ny 10 fonosana avy hatrany.
 
Rano fisotro madio : Misedra olana noho ny tsy fahazoana rano fisotro madio ireo mponina ao amin’ny fokontanin’Avarakady sy Ambohimanga samy ao anatin’ny kaominina Ambohimanga. Noho ny fandehanan’ireo paompin-drano fisotro madio misy ao an-toerana no mahatonga izany. Vokany, voatery miverina eny an-dobo sy eny amin’ny vovo indray ny mponina mitatitra rano.
 
Sakafo lany daty : Sakafo lany daty toy ny bisikoitra sy vatomamy no tra-tehaky ny talem-paritra misahana ny varotra tany Maroantsetra ny talata teo. Nodorana avy hatrany tamin’io andro io ireto sakafo lany daty ireto ho fiarovana ny fahasalamam-bahoaka. Nisy savony madinika sy kojakoja maro samihafa ihany koa niaraka tamin’ireto sakafo lany daty ireto.
 
Tsy ampy fitaovana : Mangataka ny mba hisian’ny “couveuse” na ny toerana voatokana ho an’ireo zaza tsy ampy lanja eo am-pahaterahana ny mpiteraka eo anivon’ny hopitaly Itaosy, kaominina Ambavahaditokana. Voatery entina miakatra ao amin’ny hopitaly Befelatanana mantsy ireo zaza teraka tratra ny tsy fahampian-danja eo anivon’ity hopitaly ity ka miteraka fahasahiranana goavana ho an’ny mponina.
 
Mampanahy : Mampanahy mafy ny mponina eny amin’iny fokontany Manarintsoa Atsinanana iny ny lozam-pifamoivoizana mety haterak’ireo fiara vaventy mitatitra ny fako sy ny loto avy ao amin’ny lakan-dranon’Andriantany. Ankoatra izay dia ahiana ho simba ihany koa ny lalana vokatry ny ranom-potaka sy ny fivezivezena eny amin’ny manodidina.
 
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

  • SAVOROVORO TENY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

AMIN'NY 67 HA

  • HERISETRA AMIN’NY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

MAHALAHY SY MAHAVAVY

  • Saran'ny fampiasana "drones"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Mahatratra 1 560 000Ar hatreto...

  • Firosoana amin’ny
  • Alarobia 29 Aprily 2026

fampiasàna nomerika

Hijery ny tohiny
FTT