Fampirantiana no hiafaran’ilay fivarotana ny “Force One II”, fiaramadinina fitondrana ny filoham-pirenena. Herintaona sy tapany nanaovana dokambarotra ny FAT fa tsy mety lafo ilay izy, ny “client” no miovaova isan’andro tonga mijery azy eny Ivato eny.
Omaly alarobia 28 jolay izao, dia “client” roa samy hafa raha ny fahitana azy no tonga teny. Sahabo ho tamin’ny folo ora maraina teo no nisy andian’olona tonga ahitana Afrikanina Tatsimo telo, tarihina zandary manamboninahitra jeneraly sy kapiteny. Sarotra ny fikaroham-baovao, hahafantarana hoe avy amina kaompaniam-pitaterana na orinasa iza izy ireto, fa dia tonga nizaha ny tao anatiny sy nanombantombana fotsiny ny tety ivelany. Tsy mbola niala teo ireto andiany voalohany ireto dia nisy vazaha fotsy hoditra, eoropeanina, Frantsay raha ny fahitana azy sy nandrenesana ny fiteniny. Mamy Rajaobelina, ministra tamin’ny andron’ny governemanta Razanamasy kosa no niaraka tamin’ity vazaha faharoa ity. “Client” vaovao sa natao ho fandrisika haharoboka iretsy voalohany, fa mifaninana ? Na izany aza dia tsy nisy maotera velona omaly, ary tsy nihetsika am-pitoerana ilay “Force One II”.
Ny vola azo avy amin’ny fivarotana azy io no nampanantenain’i Andry Rajoelina fa hividianana entana ilain’ny mponina andavanandro amin’ny vidiny mora, hanalefahana vidim-piainana (?). Im-polo kely no niantsoana mpividy izy ity fa toa tsy resy lahatra izay tonga. Tsiahivina fa ny harivan’ny talata 06 jolay lasa teo dia nisy mpanambola Indiana sy Maorisiana tonga teto. Telo izy ireo, ary nandeha fiaramanidina manokana mihitsy, niala avy any Bombay, no tonga teto ary notsenain’ny mpanolotsaina manokan’ny ministry ny fitaterana nitarika azy ireo hijery ilay fiaramanidina. Ny “Commandant de bord” na mpanamorin’ny GS Aviation an’ny gropy Sipromad, orinasa Karana, tompon’ilay “Jet Privé” na ilay fiaramanidina manokana mpitondra an’i Andry Rajoelina rehefa misy dia ataony, na eto an-toerana io na tany ivelany sy ny mpanamorin’ilay fiaramanidina manokana nitondra ireto vahiny avy any Bombay ireto no nanampy azy ireo niara-nijery ilay voromby. Fananam-panjakana anefa ny “Force One II” ary manana mpanamory sy ekipa teknika malagasy mahalala tsara sy nofanina manokana momba azy io isika, kanefa ny an’ny Karana no mahazo avara-patana aminy. Miditra eto ny resaka fiandrianam-pirenena, sy hambom-pompirenena !
Fanontaniana manitikitika ny maro ny antony mampikiribiby ny FAT misisika hivarotra ity “Force One II” ity. Ny mahatsikaiky anefa dia miovaova hatrany ny filazan’ny avy eo anivon’ny Ministeran’ny fitaterana momba azy io, na ny tombam-bidy izany, ny lafiny teknika momba ny fiaramanidina, eny fa ny tompony aza. 60 tapitrisa dolara no nolazaina tany am-boalohany fa nividianana io “Force One II” io, ka hoe : ny antsasany naloan’ny Fanjakana ary ny ambiny fandraisana anjaran’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Notaritarihina teny amin’ny tribonaly moa izy ity ny volana 2009, ka nanenjehana mafy ny filoha Ravalomanana, no nampifangaro ny volany amin’ny volam-panjakana. Nanaovana fitsarana politika kimaimaika mihitsy, namoahana didy ny 23 jona 2009, managadra azy sy ny ministry ny fitantanam-bola sy ny tetibola tamin’izany, Razafinjatovo Hajanirina, efa-taona an-tranomaizina sazy mihatra miampy onitra 70 tapitrisa dolara isanisany. Mbola hitohy !
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.