Actualités

Raharaha tany ao Vohitrambato Voatonontonona ny anaran-dRakotovao Mariot, talen’ny Dynatec teo aloha


  • Alakamisy 29 Jolay 2010

Omaly tolakandro no niakatra fitsarana ady madio ny fitsarana ambaratonga voalohany tao Toamasina, ny raharaha tany ao Vohitrambato izay mampifanolana ny mponina sy ny Dynatec, izay lasa tetikasa Ambatovy ankehitriny.

Noho ny fahasarotan’ny antontan-taratasin’ady, izay niisa roa : ny laharana 569/10 sy ny laharana 560/10, dia nangataka ny fanemorana izany ny mpisolovavan’ny tetikasa Ambatovy, ny Maître Radilofe izay nilaza fa zony ny mangataka fanemorana in-droa araka ny lalàna, ka ny 25 aogositra izao indray no hiditra fitsarana ny raharaha.

Araka ny vaovao nangonina dia samy milaza ho manana ny marina avokoa ny mpifanolana amin’izao raharaha izao. Ireo mponina izay niisa 750 teo niatrika ny fitsarana omaly dia nilaza fa “tsy mifanaraka amin’ny fifanarahana nifanaovana teo amin’ny vahoaka sy ny Dynatec ny vokany teo am-pandraisana ny valin’ny fialanay tamin’ny taninay sy ny tanindrazanay. Hafa ny resaka natao taminay raha nanambitamby ny hifindranay izy ireo, hafa anefa ny tambiny azo izay tsy nisy afa tsy 300.000 ariary amin’ny ankapobeny, nefa teo ny trano ny fambolena sy ny fiompiana ary ny fasana ihany koa”. Nanitrikitrika ireto vahoaka tonga teny amin’ny fitsarana ireto fa “namitaka anay fa te hahazo ny tany fotsiny ny talen’ny Dynatec, Rakotovao Mariot, sy ireo mpiara-miasa taminy. Tsy izahay no navela hifanaraka tamin’ny vidin’ny taninay nalaina, fa ireo mpiasan’ny Dynatec no nanonona izay fantany fa sao tsy ho zakan’ny vazaha izany ny vidiny”. Asehonay amin’ny fanjakana sy ny fitsarana mihitsy amin’ity raharaha ity fa “miverina ny fanjanahantany eto amintsika, ka ireo iraka vazaha ihany no mitsentsitra ny Malagasy madinika lazaina fa tambanivolo”.
Namaly avy hatrany ny tetikasa Ambatovy, ka nambaran’ny Maître Radilofe, mpisolovava azy fa “vonona ny hiaro sy hamoaka ny marina momba ity raharaha anenjehana anay ity izahay, fa tsy maintsy natao aloha ny fanemorana noho ny fanangonana ny antsipirian’ny antontan-taratasy rehetra”. Fa ho an’ny tetikasa Ambatovy manokana dia nambarany fa “tsy nisy an-tery ny fepetra rehetra noraisina namindrana ireo vahoaka tao Vohitrambato, fa nifanarahana sy nifanaovana sonia tamin’izy ireo sy ny solontenany avokoa”. Raha ny momba ny vola nomena indray dia “tsy ny tetikasa no namorona fa efa misy ny fifanarahana natao na teo anivon’ny mponina izany, na teo anivon’ny fanjakana ary ny fikambanana iraisam-pirenena mpanara-maso. Sarotra ny namaritra izany noho ny fomban-drazana sy ny tany tsy mazava nefa efa ela niainana teo ny vahoaka, ka natao ho 778.280 ariary ny vola farany ambany, nefa nisy ny nahazo nahatratra 42 tapitrisa ariary. Amin’ny ankapobeny dia 6 tapitrisa ariary ny sandan’ny vola”.
Raha ity raharaha Vohitrambato izay efa nanomboka ny taona 2007 ity, dia tsy resaka antontan-taratasy no tena olana, fa ny mpiasa teo anivon’ny tetikasa nidina nifampiresaka tamin’ireo vahoaka. Hafa ny fandaminana teny amin’ny birao hialana amin’ny olana, hafa anefa ny resaka nifanaovan’ireto mpiasa teny amin’ny vahoaka; ka lasa mitatra ny raharaha ankehitriny satria mifanohitra amin’ny teny atao aminy ny zava-misy iainan’ny vahoaka nafindra ao Vohitrambato.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

  • SAVOROVORO TENY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

AMIN'NY 67 HA

  • HERISETRA AMIN’NY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

MAHALAHY SY MAHAVAVY

  • Saran'ny fampiasana "drones"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Mahatratra 1 560 000Ar hatreto...

  • Firosoana amin’ny
  • Alarobia 29 Aprily 2026

fampiasĂ na nomerika

Hijery ny tohiny
FTT