Actualités

Fanadalana tsy an-kiato Mpianatra vavy am-polony nitory an’ingahy Tale


  • Alakamisy 29 Jolay 2010


Nametraka fitoriana teo anivon’ny polisy etsy Tsaralalàna ireo mpianatra vavy am-polony noho ny fanadalana tsy an-kiato (harcèlement sexuel) ataon’ny talen’izy ireo. Noraisin’ny mpitandro ny filaminana an-tanana tokoa izany ary nosokafana ny fanadihadiana ilay olona. Nentina teo anivon’ny Fampanoavana io farany ny talata lasa teo ary nahazo fahafahana vonjimaika. Raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny fitsarana dia amin’ny alatsinainy izao no hitohy ny fihainoana azy ary amin’ny 17 aogositra kosa ny daty hitsarana azy ao Anosy. Ankoatra izay dia fantatra ihany koa fa nisy andiana mpandranto fianarana lehilahy izay nametraka fitoriana taminy ihany koa. Ireto indray farany dia noho ny fanaparam-pahefana no anton’izany. Voalaza tao anatin’ny fitoriana fa izay manome vola azy ihany no mahazo tarehimarika ambony amin’ny valim-panadinana. 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT