• Zoma 18 Jona 2010
Actualités.Vohidiala-Ambatondrazaka Migrevy ny mpitatitra, tapaka ny lalam-pirenena faha-44

Noho ny tsindry hazo lena atao amin’ny mpitatitra dia nanapa-kevitra ny hitokona izy ireo. Ny fikambanan’ny mpitatitra vokatra miasa any Ambatondrazaka mihitsy no mitarika ity fitokonana ity.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 18 Jona 2010
Actualités.Fitrandrahana andramena Misy tompon’andraikitra ambony ao anatin’ny tambajotra, hoy ny ministry ny tontolo iainana

Fidiram-bola nahavoasoketa mafy ny FAT tamin’iny taona 2009 iny ny raharaha “bois de rose” na andramena. Nahatratra 25.000m3 izy ireo no ripaka tany amin’ny faritra avaratra sy avaratra atsinanan’ny nosy raha kaontenera 1137 feno azy kosa no niondrana nankany ivelany.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 18 Jona 2010
Actualités.Antananarivo renivohitra Nandray tambin-karama ireo sefo fokontany

Ny zoma sy ny sabotsy lasa teo no nadoavana ny tambin-karama ho an’ireo sefo fokontany sy ny mpiara-miasa aminy teto Antananarivo renivohitra. Voalaza fa 40 000 ariary ny an’ny sefo fokontany ary 20 000 ariary kosa ny an’ny lefiny.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 18 Jona 2010
Actualités.Fikarakarana ny fikaonandoham-pirenena Tsy mbola misy tetibola mazava hatramin’izao ?

Tsy manana tetibola hiasana hatramin’izao ny vondron’ny fiarahamonim-pirenena izay hikarakara ilay fikaonandoham-pirenena izay tokony hialoavan’ny fihaonambe sy fakan-kevitra isaky ny distrika.

Hamaky ny tohiny
FTT