Actualités

Fitakian’ny SMM Mety hivadika “déni de justice”


  • Alarobia 29 Septambra 2010

Lasa resabe ity fitokonan’ny mpitsara indray mitoraka ity. Fitakiana sendikaly izy ity, tarihin’ireo Mpitsara matihanina, mikambana eo anivon’ny sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM).

Telo andro ny hetsika, nanomboka ny alatsinainy teo. Nanerana ny nosy mihitsy ary henjankenjana ny tamin’ity, satria dia nampikatso ny raharaham-pitsarana. Raha ny fandehan’ny raharaha SMM sy ny fanjakana HAT anefa dia mety hiafara amin’ny “déni de justice” na fanararaotam-pahefana ara-panjakana ny zavatra miseho. Raha ny andininy faha-185 amin’ny didy famaizana malagasy dia milaza mazava fa “ireo mpanapa-kevitra ara-panjakana na ho inona antony na inona ka mangina na tsy mazava aza ny lalàna ka tsy manome ny zo omen’ny lalàna ny andaniny, dia mety voasazy tsy mahazo miasa eo amin’ny sehatr’asam-bahoaka ao anatin’ny 05 taona hatramin’ny 20 taona”.

Raha izay no arahina dia hiverina indray izany ny tantara raha tsy mivoaka ny didy fampiharana lalàna mamaritra ny tambinkaraman’izy ireo, izay fototry ny fitakian’ny SMM ka mampisy ity fitokonana ity. Tsaroana etoana ny zava-nitranga tamin’ny taona 1996, fa tsy famoahana didy fampiharana lalàna nataon’ny fitondran’ny profesora Zafy Albert no anisan’ny antony iray nahatonga ny Antenimieram-pirenena tamin’izany fotoana niroso tamin’ny fampiatoana azy tamin’ny asa maha filoham-pirenena. Eto anefa tsy misy ny Parlemantera ka mety ny fitsarana no hiasa avy hatrany, mpitsara matihanina avokoa ireto mitaky ny zony ireto, ka tantara mbola hitohy izy ity raha miziriziry ny fitondrana HAT.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT