Actualités

Loza mitatao Vary simba 29.000 T misy mitady hanaparitaka


  • Alakamisy 30 Septambra 2010

Tsy mitsahatra ny mivoatra ny afera maizina eto amin’ny nosy. Ary ny tena mampalahelo dia ny vahoaka hatrany no lasibatra voalohany amin’izany.

Ny tena loza aza dia tonga hatrany amin’ny fanapoizinana azy ireo ny zava-mitranga raha tsy misy ny fitandremana. Raha araka ny vaovao azo izao dia misy mitady hamoaka any amin’ny seranan-tsambo iray eto amintsika ny vary milanja 29 000 taonina, izay simba ary tsy azo hanina intsony. Mety hitera-doza avy hatrany ny fihinanana azy io noho ny fisian’ny “brisure” ao aminy izay efa mahatratra 25% ny tahany. Nohamarinin’ny gazety iray ao Maorisy io vaovao io ary teo koa no nahafantarana fa avy any Pakistan any no niaviany ary saika haondrana ao amin’ny nosy rahavavy Maorisy. Rehefa natao anefa ny fitiliana azy tany an-toerana dia hita fa tsy azo hanina ary tokony hopotehina sy hodorana satria mety hanapoizina ny olona. Dia mbola nahita hevitra hatrany ny sasany ny nampiditra azy teto Madagasikara. Izao indray dia atao izay hevitra rehetra hamoahana azy io ao amin’ny seranana mba hamidy mora. Asa, tokony mba hanaitra ny fitondrana izay milaza fa tsy manaiky ny tsy rariny ary koa manohitra ny tsy mety atao amin’ny vahoaka ny toe-javatra toy izao ka hanatsaharany avy hatrany ny famoahana sy fandorana io vary io mba hiarovana ny ain’ny vahoaka. Raha tsy izay dia misy endrika fanapoizinana ny valalabemandry ny zava-misy…

r.d
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT