Actualités

Ankatso Hitatra hatramin’ny novambra ny taom-pianarana


  • Alakamisy 30 Septambra 2010


Tonitony teny Ankatso omaly, na samy mbola hita ho hendratrendratra be ihany aza ny mpianatra andaniny, ny mpandraharaha ankilany ary ireo mpampianatra ao amin’ny sendika, taorian’ny roa andro nampafampana teny an-toerana. Tsy fantatra izay mbola ho tohiny. Fa na izany aza aloha dia natomboka omaly ny fizarana ny vatsimpianaran’ny mpianatra. Filaharana lava no hita teny an-toerana. Tonga ihany koa ny vola karaman’ny mpandraharaha, izay fototry ny fitokonana farany ity. Ny resaka mandeha dia mety hitohy hatramin’ny volana novambara vao hifarana ny taom-pianarana raha tokony hifarana ny volana oktobra noho ny fahatapatapahana nateraky ny fitokonana, im-pito nisesy raha tamin’ity taona ity, noho ny resaka vola tsy voaray avokoa na nampifilafilaina vao nomena. Raha izay dia tsy ho azo hodivirana koa ny fitakiana vatsimpianarana ho an’ny volana faha-10 nianarana. Ka dia ho hita eo ny tohiny. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT